Fanakorontanana sa tena nisy ?

> Nisahotaka i Toamasina iray vohitra fa hoe misy hala-jaza


  • Talata 22 Oktobra 2013

Nisavoritaka ireo sekoly tao Toamasina omaly, indrindra ireo mampianatra ankizy madinika. Niely ny feo fa misy hala-jaza ka samy nilomay nitsena ny zanany avokoa ireo ray aman-dreny. Nandrava ny mpianatra nialoha ny fotoana avokoa ireo sekoly.

Araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ireo mpitandro ny filaminana sy ireo sekoly nahatrarana tompon’andraikitra, dia voalaza fa nisy izany vehivavy efatra izany niditra tamin’ny sekoly tsy miankina iray tao Morarano. Niresaka tsotra tamin’ny talen’ny sekoly izy ireo avy eo dia lasa. Niverina indray anefa ny telo vavy ary nilaza tamin’ilay tale fa “misy mpangala-jaza” mitondra fiara 4x4 roa niditra tao amin’ny sekolin-dry masera tao Ambolomadinika ka ho avy eo. Niezaka niantso polisy ny talen’ilay sekoly taorian’izay. Raha nanaovana fanadihadiana anefa ireo sekoly tantanan-dry masera dia nilaza fa tsy nisy izany tao amin’izy ireo. Fanakorontanan-tsaina sa tena nisy ity raharaha ity ? Izay izao no fanontaniana ao Toamasina, izay tsy mbola fantatra ny ho vokany anio satria milaza ny tsy handefa hampianatra ny zanany ny ankamaroan’ny ray aman-dreny ao Toamasina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT