Actualités

Fanakorontanana Nohanin’ny “gros bras” fotsiny ny vola


  • Alatsinainy 21 Febroary 2011


Hita nivezivezy teny Ivato ihany ary tena nisitrika tao anaty olona tokoa ireo “gros bras” maro izay nambara ombieny ombieny fa hanakorontana. Rehefa nahita ny maro an’isa anefa izy ireo dia hita fa tsy sahy velively ny nanao an’izany. Niala tsikelikely satria efa fantampantatry ny olona avokoa ny momba azy ireo. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia azo eritreretina fa nohanin’izy ireo fotsiny ny vola ary mody nijorojoro nanamarina ny nandehanany teny Ivato fotsiny izy dia niala nony avy eo. Raha hiverenana dia in-droa miantoana, raha araka ny loharanom-baovao samihafa, no nisy famoriana ireo “gros bras” izay nokaramaina 15.000 ariary ka hatramin’ny 20.000 ariary isan’andro mba hanakorontana ireo olona izay ho tonga eny Ivato. Tonga teny tokoa ireo saingy tsy sahy nikofoka raha nanoloana ny vahoaka an’aliny izay efa nivonona tamin’ny rehetra…

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT