\ Taorian’ny fanakianana nataon’ny depiote Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook mikasika ny asa fitsaboana sahanin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA ….
ka nametrahany ny sarin-dRafanomezantsoa Jean Nirina teo ambanin y dia namaly bontana avy hatrany ireto farany. Nambaran’izy ireo aloha fa miara-dia amin’ny Fitondram-panjakana izy ireo saingy tsy mila ny depiote Rossy kosa. Nolazainy tamim-pomba ofisialy ihany koa fa hanova ny lokon’ny sary famantarana azy ny FITRAMA izay hivadika ho vonim-boasary manomboka izao raha maintso sy manga teo aloha. Ho fanandratana ny vita Malagasy avokoa no anton’izany hoy izy ireo. Tsy zakan’ity depiote ity loatra mantsy hoy Herilala Andrianaivo ny fanandratana ny maha-Malagasy. Izy no voavidin’ny mpanjanan-tany hoy izy fa tsy izahay, izy no nialokaloka tany La Frantsa rehefa avy niady tamin’ny mpiara-belona teto an-tanindrazana ka rariny loatra raha hisolelaka amin’ny Frantsay fa tsy izahay velively. Ny anay Madagasikara tsy hatakalo hoy izy. Nihomehy kely ny kaporaly Bob, tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA omaly raha nilaza fa an-dranomaso hatrany no nahafahan’ny depiote Rossy niverina teto an-tanindrazana taorian’ny fotoana tsy maintsy nijanonany tany ivelany. Mbola an-dranomaso ihany koa hoy izy no nifonanany tamin’ireo mponin’Ambatondrazaka, Betafo…. ka hadino sahady ve izany rehetra izany ? Mbola nampian’izy ireo moa fa afaka mankany La Frantsa ny depiote Rossy manao vaksiny …. fa avelao ny Malagasy higoka ny tombontsoa azo avy amin’ny fitsaboana nentim-paharazana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.