Actualités

Fanakianana ny fety eny Mahamasina Namaly bontana i Rossy


  • Alakamisy 21 Jona 2012

Tonga ny valin-kafatra avy amin-dRossy, taorian'ny fanambarana nataon'ny filohan'ny federasionina Malagasin'ny rugby.

 . « Izaho aza mba zendana », hoy ity mpanakanto ity, raha nahare ny filazana fa manimba ny kianja maitson'i Mahamasina ny fanaovana fety eo amin'ny 26 jona. Mba hafahafa mihitsy ny fiheverana fa tsy tokony hanaovana fety eo, hoy izy. Nahitsy i Rossy raha nanambara hoe : " ny hetra avy amin'ny vahoaka no nanamboarana sy nikolokoloana ny kianjan'i Mahamasina, izahay koa mba mandoa hetra ka nahoana moa izahay no tsy hahazo hifety eo ? ". Mahatratra 100 000 ny olona ho avy eo, hoy ihany ny fanazavany ka aiza no misy toerana goavana sady azo antoka, mahazaka an' izany ?

Mihevitra i Rossy fa teny tafahoatra ny filazana fa tsy azo hanaovana fety eo Mahamasina. Karazana fanompana ny foloalindahy sy ny fitondrana mihitsy ny tenin'ny filohan'ny federasionin'ny rugby, hoy izy. « Rehefa maloto io, dia azo fafana sy diovina, misy ny olona miasa ho amin'izany, ary efa tahaka izany foana ny fanao nandritra ny 51 taona. Ka nahoana no kianina ankehitriny », hoy ihany izy. Nanamarika ny mpamorona ny tapolaka glady fa ny fanjakana foibe no nanasa azy mba hampirevy ny olona, fa tsy hoe izy tenany no te hitsolatsolana eo. Tsy misy tokony hatahorana amin'ny fahasimbana sy fahapotehana satria tsy fihinana ny bozaka eo amin'ny kianja, ary tsy simba izany, fa rehefa voatondraka tsara dia maniry foana, hoy i Rossy. Mazava ny hafatra nomeny ny filohan'ny federasionin'ny rugby : "raha tsy faly ianao dia tongava eny Mahamasina amin'ny 26 jona dia sakano ny olona hifety tsy hiditra ao Mahamasina raha vitanao e !" 


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT