Iray amin’ireo tetikasa tafiditra ao anatin’ny PRODUIR (Projet de Développement Urbain Intégré et Résilience du Grand Antananarivo)
izay tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena vola ny fanajariana ny fefilohan'Ikopa sy ny reniranon' i Sisaony ary ny fokontanin'Antentezana afovoany. Tonga nijery ny fandrosoan'ny asa Rtoa Victoria Kwakwa, filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena ho an'ny ilany Andrefana sy atsimon'Afrika ny andron’ny omaly 5 desambra. Tetikasa lehibe izay fanamafisana ny fefilohan'Ikopa sy Sisaony. Mitentina hatrany amin’ny 125 tapitrisa dolara moa no hamatsian’ny Banky Iraisam-pirenena ny tetikasa PRODUIR. Tanjona amin'izao ny hisorohana ny tondra-drano ho an'ny Lemaka Antananarivo. Mizara 4 ny asa, ka ho an'ny morona ankavian'ny fefilohan'Ikopa : fanarenana ny ampahan'ny morona nokaohin'ny riaka. Mirefy 1,27 kilometatra izany.Ho an'ny morona ankavanan'ny fefilohan'Ikopa : famerenana amin'ny laoniny ny fiarovana andrin-tany na " talus"eo amin'ny faritra misy fahasimbana izay mirefy 3,2 kilometatra. Ho an'ny morona ankavanan'ny fefilohan'i Sisaony : famerenana amin'ny laoniny ny ampahan'ny morona, izay mirefy 125 metatra. Ho an'Antetezana afovoany, lalana fifamezivezen'ny olona amin'ny fokontany maro no namboarina. Teo koa ny fanamboarana tetezana. Tafiditra ao anatin'ny tetikasa andiany voalohany dia ny fanatsarana ny fotodrafitrasa an-tanan-dehibe izay miisa 206 izy ity. Amin'ny andiany faharoa kosa dia toeram-pamakiam-boky, fotodrafitrasa ahafahana mifamezivezy ary fotodrafitrasa entina mampikoriana rano no hotanterahana. Nijery ifotony ny fandrosoan'ny asa, izay hanampy azy hahafantatra ihany koa ny antony maha zava-dehibe ny hanatanterahana izany asa izany izao fitsidihana ataony izao ary indrindra hijereny ny fiampakan'ny asa mivantana amin'ny mponina. Manatanteraka ny asa tamin'ireo toerana notsidihana ny tetikasa PRODUIR, ary miara-miasa amin’izany fanjakana Malagasy, amin'ny alalan'ny minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany. Nandritra io no nilazan’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany Ramaholimasy Houlder fa 66% amin’ny fanamboarana ny fefilohan'Ikopa no efa tanteraka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.