Nitondra ny fomba fijeriny manoloana ny resaka zon’olombelona eto Madagasikara Randriamandrato Richard, manampahaizana malagasy niasa teo anivon’ny vondrom-pifanakalozana ara-barotra Comesa.
Namelabelatra ny zava-misy ny tenany niainga tamin’ny fanambarana navoakan’ny Amnesty International sy ny fanjakana Amerikanina rehefa nasain’ny Komitin’ny Firaisankina tarihin-dry Fetison Rakoto Andrianirina. Nambarany ary fa voasokajy ho anisan’ny «firenena mampididoza noho ny tsy fanajana ny zon’olombelona» i Madagasikara. «Midika izany fa misy zavatra atahorana eto amin’ny lafiny maro ary mampitarazoka ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena anefa io». Noraisiny ohatra ny fisamborana olona tsy amin’antony, ny tsy fahafahan’ireo gadra politika miaro tena eo anatrehan’ny fitsarana.
Voaresaka manokana ireo mpanao gazetin’ny Radio Fahazavana sy Ralitera Andrianandraina, ity farany izay voatazona roa taona any am-ponja kanefa tsy mbola nandalo fitsarana. Iretsy voalohany kosa hiakatra fitsarana amin’ny 07 jona izao. Mainty koa anefa ny tabilaon’ny FAT izay voasoketa noho ny tsy fahalalahana maneho hevitra sy miteny ary mitokona. Momba ny resaka serasera manokana dia ao anatin’ireo firenena antsoina hoe «non libre» na tsy malalaka i Madagasikara. Maro ireo onjampeo nakatona toy ny radio Fototra, Mada, Fahazavana fa ao koa ireo nahazo fandrahonana hakatona toy ny nahazo ny TV Plus, ny Matv ary ny Fréquence Plus rehefa namoaka vaovao tsy metimety amin’ny mpitondra.
Na izany aza anefa dia nanamarika ity manampahaizana momba ny zon’olombelona ity fa tsy misy fifamonoana olona an-dalambe akory eto. Mahatsapa koa ny tenany fa misy ny ezaka ataon’ny FAT saingy tsy ampy izany. Efa mitsangana tokoa ankehitriny ny Conseil National de Droit International Humanitaire araka ny fifanarahana iraisam-pirenena natao tany Genève ny taona 1958. Ity filankevitra ity izay manana andraikitra ny fanaraha-maso ny fampiharana ny zon’olombelona.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.