Mbola tena marefo ny fampiharana ny zon’olona manana fahasembanana eto amintsika na dia efa nanaiky nankato ilay fifanarahana iraisam-pirenena mifandraika amin’izany aza isika eto Madagasikara.
Endrika maro no mbola hisehoan’izany, hoy Razaka Manantenasoa Ralphine talen’ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona. Anisan’ireny tsy fahafahan’ireo zaza manana fahasembanana miara-mianatra amin’ny ankizy mitovy taona aminy, ny fanilihina ireo olona manana fahasembanana tokony hanaraka fiofanana arak’asa mifandraika amin’izany, ny tsy fahafahan’izy ireo mahazo sehatra malalaka amin’ny lafiny politika. Mba hahafahana manatsara izany ary dia hohatsaraina ny fiaraha-miasan’ireo olona manana fahasembanana sy ny minisiteran’ny mponina. Amin’ny alalan’ireo fikambanana mandray an-tanana azy ireny no hanatanterahana azy. Voakasika ihany koa ireo zokiolona tsy manam-piahy. Nisy ny fivoriana izay notanterahin’izy ireo tetsy Anosy omaly nanomanana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana izay homarihina ny 3 desambra ho avy izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.