Maneho ny ahiahiny ny amin’ny endrik’ilay volavolan-dalŕna mifehy ny fifandraisana ny GEPIMM (Groupement des Editeurs de Presse d’Information et Multimédia de Madagascar),
izany hoe ny fikambanan’ireo tompon’orinasan-tserasera eto Madagasikara ary namoaka fanambarana ofisialy omaly (pejy faha-6). Miantso ny governemanta sy ny antenimieram-pirenena mba hiverina handinika tsara io volavolan-dalàna io ny Gepimm, manao antso avo amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fampandrosoana (PNUD) ihany koa mba hanelanelana. Manahy ny Gepimm sao efa tena paikady napetraka mba hahafahan’ny mpitondra fanjakana manageja ny asa fanaovan-gazety sy mifehy ho amin’ny tombontsoany ny serasera no fonosin’ity volavolan-dalàna hafahafa ity. Manaitra ny sehatra iraisam-pirenena ireto lehiben’orinasan-tserasera ireto manoloana izay mety ho eritreri-dratsin’ny fitondram-panjakana momba ity resaka serasera sy fifandraisana ity. Mety ho mafy kokoa ny fitakiana amin’ny manaraka, hoy ny Gepimm raha tsy misy ny fiovana. Fa tetsy an-kilan’izay dia tamim-pirahalahiana sy tamim-panajana ny fihaonan’ny solontenan’ny mpanao gazety sy ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza omaly. Voarainay ny ahiahy sy ny fitarainanareo momba ilay volavolan-dalàna mifehy ny fifandraisana, hoy ny filohan’ny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy ka hodinihana. Lapan’ny vahoaka ary mandray ny hetaheta sy ny fitarainana rehetra ny antenimieram-pirenena, hoy izy. Ny resaka fanagadrana mpanao gazety noho ny zavatra nosoratany na noteneniny moa no tena fototry ny olana. Mitaky ny fanafoanana an’io ny mpanao gazety ary nampatsiahy fa efa nanaiky ny hanala an’io ny fitondram-panjakana ka tokony hotanterahany izany fa tsy mifamitaka. Tsy azo ekena ny fanagejana na fanapenam-bava na ahoana endrika isehoany ary tsy maintsy hiady ny amin’ny fiarovana ny fahafahana miteny sy maneho hevitra izahay, hoy ny mpanao gazety omaly. Tazana nanohana ny mpanao gazety teny Tsimbazaza koa ny olon-tsotra sy ny mpikambana ao amin’ny Wake Up Madagascar.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.