Actualités

Fanagejana ny fananan’ny TIKO Nahemotra ho amin’ny fotoana tsy fantatra


  • Alakamisy 07 Jona 2012

Nahemotra amin’ny fotoana tsy fantatra indray ny fampiharana ilay didim-panjakana manery ny tompon’andraikitry ny orinasa Tiko hanokatra ity orinasa ity mba ahafahana manao ny fanagiazana ireo fananany mbola misy ao Andranomanelatra.

 Raha ny fantatra tokoa moa dia omaly alarobia 06 jona no tokony ho nanaovan’ny vadintany, Mamy Andrianoro Lucien, izany asa izany saingy nisy ny dinika maro samihafa nataon’ny tompon’andraikitry ny orinasa mba hanemorana ny fampiharana azy. Ny marainan’ny alarobia ary dia nifamotoana tao amin’ny Faritra Vakinankaratra indray ny vadintany sy ny OMC na tompon’andraikitry ny filaminana nandinika ny hampiharana ilay didin’ny fitsarana. Efa nihemotra hatrany mantsy ny fampiharana azy kanefa baikon’ny fanjakana foibe, hono, izany ka tsy maintsy tontosaina. Taorian’izay dia nampandrenesina ny tompon’andraikitra fa hidina ao Andranomanelatra ny OMC. Tetsy andaniny dia tonga marobe ihany koa ireo vahoaka leon’ny antsojay ataon’ny fitondrana tetezamita amin’ity orinasa Malagasy ity ka nahatonga ny vadintany naka tohana tamin’ny mpitandro filaminana amin’ny fanatanterahany ny asany.

Hatreto anefa dia tsy mbola tanteraka izany. Raha ny fanazavana nomen’ny mpisolovava ny Tiko, Maitre Raharimalala Norosoa, dia tsy mitsipaka ny fampiharana ity didy ity ny orinasa fa kosa tokony hampitoviana ny fampiharana ny lalàna misy. Notsiahiviny fa efa nisy ny didim-panjakana manery ny fitondrana tetezamita hanombana sy hamerina ny fahasimbana nihatra tamin’ny orinasa ny taona 2009 saingy tsy nisy fampiharana izany. Iizay ihany no angatahin’ny orinasa dia ny fampiharana ilay didy tany aloha ahafahana mandoa na mikajy ny hetra tokony haloan’ny orinasa satria amin’izy ireo dia misy fitongilanana miharihary ataon’ny fitondrana amin’izao fotoana. Nambarany ihany koa fa araka ny nolazain’ireo tompon’andraikitry ny OMC ireo dia tsy maintsy hotanterahina ity didy ity saingy amin’ny fotoana tsy fantatra no hanaovana azy. Taorian’izay dia niala tao Andranomanelatra ny OMC, notarihin’ny Sekretera jeneralin’ny Faritra Vakinankaratra sy ny komandin’ny Vondrom-paritry ny zandarimariam-pirenena Vakinankaratra. Hatreto izany dia mbola tantara mitohy ny fanagiazana ity fananan’ny filoha Ravalomanana ity. Hiaraha-mahita eo indray ny ho tohin’ny tantara.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT