Ny zandary misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava no nahatratra voalohany ny iray tamin’ireo jiolahy.
Na dia tsy nomena alalana mivantana aza izy ireo dia ny fanadihadiana nataony no nahomby voalohany. Teo vao taitra ny lehiben’ny Fampanoavana ka nanome alalana avy hatrany io sampana io mba ho afaka manadihady ihany koa. Ny zandary avy etsy Fiadanana sy ny polisin’ny BC izany izao no misahana ny fanadihadiana iny fanafihana ny tambin-karaman’ny CT iny. Izay indray ny zava-baovao mahakasika an’iny raharaha niteraka resabe iny. Amin’ny lafiny iray dia mety ho nipetraka ihany ny fanahian’ny fampanoavana izay lehiben’ny OPJ rahateo ny amin’ireo polisy sao sanatria misy kitranoantrano.
Raha ny marina mantsy dia toa tsy nandeha tany amin’ireo sampana vonjy taitra mihitsy ny fanadihadiana hatreto. Maro anefa ny zavatra tokony hanontaniana azy ireo raha tsy hilaza afa-tsy ny nahatonga azy ireo voalohany teny an-toerana, ny fahitana ny vola, ny tsy fanaovany tatitra raha tsy adim-pamataranandro maromaro taty aoriana. Heverina fa mety hitondra zava-baovao momba ity raharaha ity ny fanomezana andraikitra ny zandarin’i Fiadanana. Ho hita eo ny tohiny.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.