Actualités

Fanafihana volan’ny CT Fito hafa indray tratra, mpiasan’ny CT ny maro


  • Talata 09 Aogositra 2011

Samira, Bien-Aimé, Rabetsy, Fabien, Gaston, Jacquot, ireo no indray voasambotra momba ny fandrobana ny volan’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) ny 20 jolay teo.

 Samy manana ny anjara asany avokoa izy rehetra ireo. Misahana ny fanaraha-maso ny fiaingan’ny fiara sy ny fandalovany teny amin’ny toerana maro no tena lehibe tamin’izany. Vao niainga tao amin’ny Lapan’ny Kongresy Tsimbazaza ny fiara dia efa mifanome toromarika tsirairay izy ireo. Faran’izay haingana, araka izany, dia vita ny “opération” satria ara-potoana ny vaovao azon’ireo mpandroba. Nandroso ny fanadihadian’ny Brigade Criminelle izay nisahana ny raharaha.

Na izany aza anefa dia mbola misy ny tadiavina amin’ity raharaha ity. Anisan’izany i Tantely, Setra ary Ra-Maître. Raha atao bango tokana izany dia saika mpiasan’ny Kongresin’ny tetezamita avokoa ny mpandray anjara na mivantana na tsia tamin’ity fanafihana ity. Efa misy fito ny nampidirina am-ponja ka ny dimy amin’ireo dia mpiasan’ny Kongresy. Iretsy voalaza anarana etsy ambony ihany koa dia saika mbola izy avokoa. Mitombina ihany izany ny fanahian’ny maro fa avy ao anatiny ihany no nipoiran’ity fanafihana ity.

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT