Olona miisa enina no efa saron’ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fanafihana ny karaman’ny mpiasan’ny orinasa TMA, izay manao asa eo anivon’ny tetikasa Ambatovy. Vola mitentina 120.000.000 ariary no voaroba ny zoma antoandro teo, 100m miala ny banky BMOI ao Ampasimazava.
Ireo telo voalohany dia saron’ny Hery vonjy taitran’ny polisy, FIP, notarihan’ny komandany Jules, niainga tamin’ny findain’ny jiolahy latsaka tao anatin’ilay efitra nanafihana ny vola tao anaty sakosy. Tao anatin’izany ny rahalahin’ilay jiolahy izay miasa eo anivon’ny tetikasa Ambatovy izay niantso azy taorian’ny fahavitan’ny “opération”, ny mpamily ilay Taxi fiara R5, ary ny tompon’ilay fiara teo aloha izay tsy mbola namindra ny anarana tamin’ny olona namarotany ny fiara. Taorian’izay kosa no nisamboran’ny FIP ny mpamily fiara teo aloha ary ny vadin’ilay jiolahy efa niomana saika hitsoaka. Ny tena jiolahy fahenina kosa dia sarona niaraka tamin’ny fiara tao Brickaville raha naheno vaovao ny FIP, izay mihevitra ny handositra tsy fantatra na hihazo ny faritr’i MAVAM na ho any Alaotra Mangoro na ho aty Antananarivo. Nisy vola 62 tapitrisa ariary hita tao anatin’ilay fiara. Fantatra tao anatin’izany fa depiote teo aloha no atidoha nikotrika ity halatra ity.
Efa eo am-pikarohana azy ankehitriny ny FIP manao ny fisamborana sy ny zandary misahana ny fanadihadiana. Voalaza fa nitsoaka niala an’i Toamasina ity solombavambahoaka teo aloha ity, raha vao nahare fa voasambotra tao Brickaville ilay tena jiolahy raha nihazo ny RN2. Raha hiverenana ny tantara, fantatr’ireto jiolahy tsara ny fotoana fakana vola karama io zoma 22 aprily io. Raha nigadona ny vola 120.000.000 ariary dia tonga koa ireto jiolahy, tao anaty Taxi fiara R5 miloko mena mangirana, izay niisa telo lahy ankoatra ny mpamily. Nitondra basy PA izy ireo ary nanapoaka izany, in-telo hoy ny mpiasa, im-betsaka kosa, hoy ny manodidina. Tsy naharitra dimy minitra akory dia lasa ireto jiolahy nitondra ny vola, ka teo am-pikoropahana nitondra ny vola no nilatsahan’ilay finday nahafahana nisambotra ireo mifaningotra rehetra tamin’ny raharaha, ary tamin’io finday io koa no nahalalana fa depiote teo aloha no nanomana ny fanafihana sy atidoha mpikotrika azy. Ankoatra izay, voatery nitady hevitra nandoavana ny karaman’ny mpiasany ny teo anivon’ny orinasa, noho ny fitokonana saika nataon’ny mpiasa vokatry ny tsy fahazoana vola. Anio talata no heverina fa hiakaran’ny raharaha eo anivon’ny fampanoavana ao Toamasina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.