Fanafihana tao Valpinson

> Lasan’ny jiolahy ny basin’ny tompon-trano


  • Alakamisy 05 Septambra 2013

Nitrangana fanafihana mitam-basy indray tao Valpinson Toamasina ny talata 03 septambra teo tokony tamin’ny mitatao vovonana. Araka ny angom-baovao teo anivon’ny polisy misahana ny hery vonjy taitra Toamasina, dia jiolahy roa tsy misaron-tava samy nitondra basy poleta no nanafika ny “villa” iray.

Tsy mbola tonga tao an-tranony ny tompon-trano fa mpiambina sy mpanampy no tratran’ireo jiolahy ka voambana basy avy hatrany. Noteren’ireo jiolahy hampiditra azy tao an-trano ilay mpiambina sy ilay mpanampy, ary avy eo nohidian’izy roa lahy tao anaty efitra iray. Nanao izay tiany, nisava ny efitrano rehetra  sy ireo vata samy hafa heverina fa nisy vola ireo jiolahy avy eo. Tsy nahita na inona na inona anefa ireo jiolahy ka ny basy “Calibre 12” iray an’ny tompon-trano no nentin’izy ireo. Adiny iray taty aoriana vao nahatsirakitra ireo mponina manodidina fa misy zavatra tsy mazavazava nitranga, ka ireo no nampandre ny FIP izay tonga avy hatrany notarihan’ny komandany Rafaliarivo Jules, nijery ny zava-nisy sy namoaka ireo mpiambina sy mpiasa voahidy tao anaty efitra. Nantsoina ny tompon-trano, ary nasaina nanamarina ny fananany, ka tamin’izay no nahalalana fa tsy nisy entana lasa afa-tsy ilay basy “Calibre 12” sy bala maromaro ihany. Roa andro talohan’io, alahady 01 septambra hariva, dia nitrangana fanafihana mitam-basy tao Valpinson. Mpiasan’ny fadintseranana ao Toamasina no lasibatra tamin’izay. Jiolahy roa ihany koa no nanafika saingy tsy tafiditra tao an-trano, ka ny moto teo ivelany no lasan’izy ireo.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT