Nirefodrefotra indray ny basy tao amin’ny fokontany Mahazina Antsirabe ny alarobia antoandro tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.
Jiolahy niisa 5 no nanafika tokantrano iray io andro antoandro be nanahary io raha ny nambaran’ny kaomisera divizionera, Talily Damy. Nahazo ny fampitam-baovao avy tamin’ny olona nanodidina ka tonga ny mpitandro ny filaminana ary nitifitra avy hatrany ireo jiolahy. Namaly avy hatrany ny polisim-pirenena. Rifatra nitsoaka ireo jiolahy ary navelan’izy ireo ny entana efa azony. Nifanenjehana kosa ireo jiolahy ka ny iray no saron’ny mpitandro ny filaminana. Mbola karohina kosa ireo namany 4 hafa, fantatra fa nitondra ireo fitaovam-piadiana. Nambaran’ny lehiben’ny polisim-pirenena moa fa jiolahy vao nivoaka ny fonja noho ny fahataperan’ny fotoana nitazonana azy ireto nanao fanafihana ireto, ary tsy mbola vita fitsarana akory. Voaporofo indray, araka izany, fa efa sahy mifanehatra amin’ny mpitandro ny filaminana ireo jiolahy. Nanamafy ny polisim-pirenena fa tsy tokony hisalasala amin’ny fanomezam-baovao ny mpiara-monina hisorohana ny tahaka izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.