Dahalo fitolahy mitam-basy no nanafika tokantrano iray tao Bepako kaominina
Tsararano, distrikan’i Marovoay, Faritra Boeny ny 06 Desambra lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora alina. Nokapain’ireo jiolahy tamin’ny famaky ny varavarana nahafahany niditra. Avy hatrany dia nalefan'ilay Raim-pianakaviana nandositra ny vady aman-janany fa izy no niandry ireo jiolahy.Rehefa tafiditra ireo jiolahy dia nitifitra avy hatrany ilay Raim-pianakaviana ka lavo tsy tra-drano ny iray tamin’izy 7 ka vaky nandositra avokoa ireo namany sasany. Niezaka nanampy ity Raim-pianakaviana ity ny zandary taorian’izany ka tamin’izany no nahavoasambotra ny jiolahy iray antsoina hoe : Adolphe monina ao Bepako ihany izay anisan’ireo nanafika. Ny sisa kosa dia efa fantatra ary hatao hazalambo. Tsiahivina moa fa tsy mahavoasazy ny mitifitra sy mahafaty jiolahy amin'ny fiarovan-tena tahaka izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.