Niampy iray ny jiolahy voasambotra tamin’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana ny masoivohon’ny Tahirimbolam-panjakana teny Analamahitsy ny alin’ny 17 martsa teo. Ny alarobia teo izy no voasamboatra niaraka tamin’ny basy sy bala maromaro ary fanamiana mpitandro filaminana. Araka ny filazany dia fito izy ireo no nandray anjara tamin’ny fanafihana, maty voatifitra ny telo, ny iray azo sambobelona ary efa any am-ponja, dia ity tratra ity ny iray. Misy roa hafa mbola karohina. Nisy vehivavy iray voalaza fa nifandray tendro tamin’izy ireo koa nosamborina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.