Mivoatra hatrany ny vaovao mikasika ilay fanafihana ny volan’ny banky BOA Augagneur Toamasina farany teo.
Anterina eto hatrany fa sarotra ny fikaroham-baovao mikasika azy ity. Tsy fantatra ny antony marina, na ho fanajana ny tsiambaratelon’ny famotorana, na tena fanafenam-baovao tsotra izao. Na izany aza dia fantatra hatreto koa fa tsy ilay 380.000.000 Ar. indray no sandan’ny vola very fa maherin’izany. Raha ny vaovao azo farany indray no resahina dia mahatratra 500.000.000 ariary ilay vola nanjavona nisy nanafika io. Ho hita eo moa ny tena marina mikasika azy ity raha handeha ny fitsarana ny raharaha. Fa ankilan’izay, dia nahenoana olona 07 voasambotra manodidina iny raharaha fanafihana ny volan’ny banky BOA Augagneur iny.
Vehivavy ny iray izay monina ao Morarano ary mpandraharaha jirofo no asany. Tao amin’ity ramatoa ity no tratra ny gony nitondrana ny vola izay mbola nahatrarana vola mitentina 1.200.000 Ar. ihany koa tao aminy nandritra ny fisavana ny tranony. Mpandraharahan’ny fonja (Pénitentiaire) kosa ny iray manaraka izay. Ny azy indray araka ny vaovao dia ny fitadiavana ny fitaovam-piadiana no maha voarohirohy azy amin’ity raharaha ity, satria voalaza fa izy ity no mpibizina ireo basy nampiasain’ireo jiolahy nanafihana izay nahitana kalaky telo sy PA iray ankoatra ilay PA an’ny polisy lasan’ireo jiolahy ihany koa.
Ny fahatelo tamin’ny voasambotra dia lehilahy iray monina ao amin’ity ramatoa mpanao jirofo ao Morarano ity kosa, izay firaisana tsikombakomba no hanenjehana azy ary voalazan’ny loharanom-baovao hafa koa fa ity lehilahy ity no nitsena ireo jiolahy tamina fiara 4x4 mainty tao Tsararivotra Betainomby nandritra ny fitsoahana sy naharevo ilay 4x4 Nissan an’ny banky BOA nitondrana ny vola nandositra. Nisy koa anefa mpiasana trano fisakafoanana iray malaza ao amin’ny Bd Joffre izay nosamborina. Izy no nisintona ny basin’ilay polisy niambina ny vola ; ary ireo 3 lahy ambiny dia firaisana tsikombakomba sy nanafina ary nanamora ny fanaovana ny «opération» no hitazonana azy ireo. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ny naman’izy ireo eo am-pakana am-bavany ireto olona 3 efa tratra ireto. Efa hita mihaodihaody ao Toamasina koa ny ekipan’ny Lt-Col Lylyson lehiben’ny FIS nanomboka ny alarobia teo, izay hiara-kisahana ny raharaha miaraka amin’ny zandary sy polisy ao Toamasina. Ho hita eo izany ny tohin’ny raharaha manaraka indray, fa hatreto aloha dia voamarina sy voaporofo fa balan’ny zandary no nampiasan’ireo jiolahy mitondra ny laharana 539/74 sy 539/77. Mbola raharaha hafa koa ny amin’izy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.