1 300 tapitrisa Ariary no fitambaran’ny vola fandoavana ny fisotroandrononon’ireo zokiolona miisa 4 000 ao amin’ny “Perception Principale Avaradrano” manana ny foibeny etsy Analamahitsy.
Lasan’ireo jiolahy tafaporitsaka tamin’ilay fanafihana ny alin’ny alatsinainy teo ny 674 328 000 Ariary, izany ny hoe atsasamanila mahery. Marihina fa efa tafaverina any amin’ny “Paierie générale d’Antananarivo” ny vola iray gony hita teny Analamahitsy sy ny iray hafa tratra teny amin’ireo jiolahy maty voatifitra. Ny iray amin’ireo namoy ny ainy ihany no fantatra ny momba azy dia Randrianjafindralambo Johny, 33 taona nonina teny Ambohimanarina. Anarana fiantso azy andavanandro kosa no fantatra momba ireo roa hafa dia i Alain sy Angelo na koa Bota.
Nahitana kara-panondro sandoka moa tany amin’ity farany. Momba ny fitaovana nampiasain’izy ireo dia kalach iray mitondra ny laharana PC 6644, modèle 1972 miaraka amin’ny fahana misy bala 10 sy “pistolet automatique” telo ka ny roa vita tanana ary antsy lava no hita tany amin’ireto maty ireto. Nomarihan’ny “Brigade Criminelle” fa ny mpitandro ny filaminana ihany no manana ilay “pistolet automatique” tena izy, izany hoe misy tokoa ireo mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Milaza ny tsy handefitra ho an’izay polisy tompon’antoka tamin’ireo basy ireo koa ny BC.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.