Ny sabotsy teo dia nisy indray ny fisavana trano nataon’ireo mpitandro ny filaminana avy eo anivon’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena tao Morarano. Izany dia mikasika ilay fanafihana ny volan’ny Banky BOA Augagneur Toamasina ny herinandro lasa iny.
Tao an-tranon’ilay voalaza fa anisan’ny mpikotrika ny raharaha fanafihana sy mbola nitsena ireo jiolahy tamina fiara 4x4 mainty ary nahatrarana ilay gony nisy ny vola izy ity. Nandritra io fisavana ny trano io, no nahatrarana ny vola 145.000.000 ariary tao amin’ity tokantrano ity. Tao anaty harona “sachet” sy “sac à dos” ary tao anatina valizy fitondra mandehandeha na “mallette” ireo vola be ireo no tratra, raha nasaina namoaka ireo vola nafenina tao aminy ny tompon-trano. Raha nantsoina nanamarina ny vola ny mpiasan’ny banky tompom-bola, dia nilaza fa «tsy afaka manamarina ny tena maha izy na tsia ireto vola tratra ireo. Ny vola avy eny amin’ny banky foibe miditra ny banky ihany no fantatra nomerao, fa ireo vola avy ao amin’ny banky hampidirina banky foibe kosa, ny isany ihany no fantatry ny banky».
Nanavaza ny tompon-trano fa : «tsy vola halatra izany ireo, fa vidina jirofo namidinay tao amin’ny orinasa SCIM sy AZIZ ny herinandro lasa iny». Voalazany hatrany fa «nitentina 340.000.000 ariary ity vidina jirofo ity teo am-pahazoana ny vola, fa efa nividianana entana sy nandoavana volan’olona ka izay no mahatonga io vola 145.000.000 ariary tafajanona tato aminay». Fifanandrifian-javatra sa inona fa tena nifandray be tamin’ny vola notafihana tamin’ny banky BOA ny raharaha, eo ilay vola 340.000.000 Ar nambara, teo koa ny ambim-bola tratra ary indrindra ny fahatrarana ny gony iray avy nisy ny vola nahitana tataky ny antsy ny sisiny. Efa nohazonina sy nogiazana ny vola be tratra ity, mitohy koa ny fanadihadiana sy ny fisamborana.
Efa mahatratra 10 izao ireo olona nosamborina sy nohadiadiana mikasika ity fanafihana ny volan’ny BOA Toamasina ity, izay nahitana an’ity rangahy tao Morarano ity sy ny vadiny, mpiambina ny jirofon’izy mianakavy iray, mpiasan’ny banky BOA ahitana ny mpamily sy ny “animateur”, mpiasana trano fisakafoanana iray eny amin’ny Bd Joffre, mpivady hafa fianakavian’ilay mpandraharaha jirofo ihany koa ary mpandraharaha ny fonja iray. Voalazan’ny loharanom-baovao fa mpihavana sy mifankalala tsara avokoa ireto olona ireto, ary toa hoe fianakaviana ministra tao anatin’izao Fahefana Avon’ny Tetezamita izao ireto voarohirohy ireto. Fantatra koa aza fa misy «Chargé de mission» an’io ministra teo aloha io ihany izay mbola fianakaviany koa mbola karohina hatramin’izao. Ankoatra izay dia fantatra koa izao fa, tafiditra tamin’ny fanafihana ny volan’ny BFV Fenoarivo Atsinanana ny taona 1997 sy ireo fanafihana mitam-piadiana sy mpanao “kidnapping” tao Toamasina ny taona 2009 sy 2010 ireny ireto voampanga ireto. Voatonontonona tamin’ny fanafihana mpivarotra volamena roa tao Bazary be ny taona 2010 koa. Fanadihadiana hafa aza no nahalalana fa tafiditra amin’ireny trafikana “bois de rose” nalaza be tao anatin’ny roa taona ireny ihany koa izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.