Actualités

Fanafihana ny BOA Toamasina Balan’ny tafika no nampiasain’ireo jiolahy


  • Alarobia 02 Martsa 2011

Mbola mitohy hatrany ny fahazoam-baovao mikasika ilay raharaha fanafihana ny volan’ny banky BOA Bd Augagneur Toamasina nitranga ny alatsinainy tolakandro teo.

Raha ny vaovao farany azo tamin’ny fikarohana natao, izay sarotra ihany ny fanangonana izany noho ny fanafenana ny tena zava-misy marina, dia mbola nisy izany fiara 4x4 mainty izany indray nanampy ireto jiolahy efatra nanafika ny vola 380.000.000 Ar. ity, tao Tsararivotra Betainomby, tavela tao anaty fasika mandrevo raha iny hikasa hitsoaka hiverina hihazo ny “Amparagodorao” ao Ambalakisoa, ireo jiolahy ireto. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia efa nomanina izy ity, saingy ilay fiara revo tao anaty fasika no tsy nampoizina izay nahatonga ireto jiolahy ireto mbola nandeha an-tongotra metatra vitsivitsy vao nifindra tao amin’ilay fiara 4x4 mainty manaraka indray. Araka ny fantatra koa dia bala fampiasan’ny tafika (miaramila sy zandary), izay manana laharana “.../77” sy “.../74”, ireo bala nampiasain’ny jiolahy, ka ny iray nipoaka ary ny iray tsy nipoaka ary tratra tao anatin’ilay fiara 4x4 Nissan Patrol an’ny banky BOA nitondran’izy ireo ny vola be nitsoaka. Izay no nahatonga ny ahiahy amin’ny fisiana firaisana tsikombakomba eo amin’ny mpiasan’ny banky sy ireo jiolahy ary ireo mpiambina tao.

Raha ny voalazan’ny vaovao hatreto aloha, dia tsy mbola hita taratra ao anatin’ny raharaha maizina ity ilay polisy very basy PA manao fiambenana ny banky sy ny mpanjifany. Ankoatra izay, tsaroana eto ilay raharahan’ny banky BOA Toamasina ihany, fa saingy ny sampany teny Ampasimazava kosa telo taona lasa izay, izay nisiana fanafihana nitam-basy tahaka izao ihany koa, sy nisian’ny fanotana lakilen’ny «coffre» misy ny vola, izay nahaverezana vola efa nananikin’ny 300.000.000 Ar tamin’izay. Mpiasa tao amin’ny banky, sy mpiambina ary ireo mpifandray tendro taminy no voarohirohy tamin’izay, izay niditra am-ponja mihitsy vokatra io vola be very io. Mbola mandeha moa ny fanadihadiana mikasika ity raharaha tao amin’ny BOA Augagneur ity, ka ho hita eo ihany ny tohiny.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT