Actualités

Fanafihana mitam-piadiana Lasibatra ny katolika


  • Talata 26 Jolay 2016

Mampiahiahy ny trangan-javatra tato ho ato. Iharan’ny fanafihana misesy ny toerana miankina amin’ny finoana katolika apôstôlika romana.

 

 Notafihin’andian-jiolahy mitam-piadiana ny toeram-piomanana ho masera ao Besimpona-Moramanga, ny zoma 22 jolay vao mangirandratsy. Tsy fantatra mazava ny tena zavatra nokendren’ireo mpanafika tamin’io, satria tsy nisy zavatra very na dia tafiditra tao amin’ny toby aza ireo jiolahy, ary nanimba zavatra sy namatotra mpiasa tao. Ny alahady 24 jolay, notafihin’ny jiolahy mitam-basy ihany koa ny Fiangonana katolika ao Ankazoabo Atsimo. Naharitra ora iray ny poa-basy. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny lakolosim-piangonana. Manoloana ireo tranga ireo dia be no mametra-panontaniana ankehitriny raha toa ka valibontana tamin’ilay raharaha Soamahamanina, izay nanehoan’ny fiangonana katolika ny heviny sy ireo fanamarihana miharo tsikera nataon’ny Eveka katôlika izao herisetra atao amin’ny fiangonana katôlika izao.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT