Actualités

Fanafihana mitam-basy Lavon’ny balan’ny polisy i Tolotra


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2022

Lehilahy iray antsoina hoe : Tolotra no lavon'ny balan'ny Polisy miasa ao Ambalavao ny sabotsy 22 oktobra teo rehefa nanao fanafihana mitam-piadiana.

Jiolahy efa rain-dahiny amin'ny resaka halatra mitam-piadiana i "TOLOTRA" raha tsiahivina. Efa karohin'ny Polisy fatratra any an-toerana izy raha araka ny vaovao azo. Ny angom-baovao nataon'ny Polisy sy fanomezam-baovao avy amin'ireo olona tsara sitrapo no nahafantarana ny toerana nisy azy. Rehefa tazan'ity jiolahy ity ireo polisy dia nambanany basy avy hatrany, antony nahatonga ny mpitandro ny filaminana nitifitra avy hatrany ka namoizany ny ain-dehibeny. Mbola tratra teny amin'ity farany ny basy vita gasy fampiasany amin'ny asa ratsiny. Marihana fa nisy naman'ity jiolahy ity izay efa azon'ny Polisy sambo-belona tany an-toerana ary efa naiditra am-ponja vonjimaika. Mitohy hatrany asa hataon'ny Polisy any an-toerana manoloana ireo trangana tsy fandriam-pahalemana miseho any amin’iny faritra iny.
Nangonin’i Pati
Legende : Maty i Tolotra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT