Fanafihana mitam-basy

> Najifan’ny jiolahy ny firavaka rehetra tao amin’ny Akash Bijoux Antsirabe


  • Sabotsy 31 Aogositra 2013

Nirefotra ny basy tao Antsirabe omaly zoma 30 aogositra 2013 nanodidina ny tamin’ny 6 ora hariva teo. Ny toeram-pivarotana firavaka “Akash Bijoux” tantanina teratany Karana teo akaikin’ny Katedraly no lasibatra tamin’izany.

 

Tsy mbola maizina akory ny andro tamin’ny fotoana nisehoan’ity fanafihana ity satria dia amin’ny fotoana izay mahabe ny olona mivezivezy avy mamonjy ireo hetsika isan-karazany ao Antsirabe. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia tsy nampoizina ilay izy satria rehefa nandositra ireo jiolahy vao nanapoaka basy sesilany ka noheverin’ny mpitazana fa mpitandro filaminana manenjika jiolahy. Rehefa nitabataba niantso vonjy ireo voatafika vao samy taitra ny olona saingy efa nadio ny rano nitan’ireo mpanafika. Raha ny nambaran’ireo niharan’ny fahavoazana moa dia fito lahy teo ireo mpanafika, tsy nisy nisaron-tava, miakanjo mainty toa «combinaison» ary nirongo basy lava avokoa. Tsy afa-nihetsika nanoloana izany ireo tao anaty toeram-pivarotana ka dia nanararaotra ireo jiolahy.

Tao anatin’ny dimy minitra no nanaovan’izy ireo ny «opération» ary dia najifa tanteraka ireo firavaka sarobidy rehetra tao anaty fitaratra nisy azy. Rehefa tonga moa ny mpitandro filaminana dia tsy nisy ny azo natao fa nijery ny fahavoazana sisa ny rehetra. Fantatra tamin’izany fa balan’ny mpitandro filaminana ireto napoakan’ireo jiolahy ireto ka karazam-basy “Kalachnikov”izany araka ireo bala niisa fito tazana teo amin’ny manodidina ny tranombarotra voatafika. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ka dia ho hita eo ny tohiny. Anisan’ny nahagaga ny maro moa ny nahatapaka ny jiron’ny tobin-dasantsy Jovenna teo akaikin’ny katedraly izay nahamaizina tanteraka ny manodidina ka nahasarotra ny fahafantarana ireo jiolahy izany. Marihina fa nifanindry indrindra ny fanokafana ny Festival Mamahoaka ity fanafihana ity. Ankoatra izay dia hetsika maro no mitranga ao Antsirabe amin’izao fotoana. Mifanaretsaka ny olona ka tsy hay intsony ny ratsy sy ny tsara.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT