Actualités

Fanafihana ireo dahalo Miandry ny baikon-dRajoelina ?


  • Alatsinainy 18 Jona 2012

Feno herinandro tamin’ny sabotsy lasa teo ny fifandonana teo amin’ireo dahalo an-jatony sy ireo mpitandro ny filaminana tany Befotaka, Amboasary Atsimo.

 Zandary 5 sy miaramila 1 moa no voalaza fa maty tamin’izany. Tsy mbola tafaverina any amin’ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’izy ireo hatramin’izao. Raha araka ny fantatra dia tsy mbola nisy ny fanafihana ny dahalo nataon’ny miaramila, tsy mbola misy ihany koa ny fanampim-baovao momba izay mety fifampiresahana efa nisy teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Efa tafaverina eto an-drenivohitrra rehefa avy nijery ny zava-misy tany atsimo ny praiminisitra Omer Beriziky. Tsy dia nisy vaovao be nambarany, afa-tsy ny filazana fa haato aloha ny fanondranana omby mankany ivelany. Ao anatin’ny tombantomban’ny maro tokoa mantsy ny hoe : aondrana any ampita ireo omby an-jatony hangalarin’ny dahalo. Ny morontsiraka eto Madagasikara rahateo dia malalaka sy tsy ampy fanaraha-maso ka mora ny mampiditra sy mamoaka entana eto amintsika. Miandry ny fanapahan-kevitra mety horaisin’ny fitondrana tetezamita manoloana ity asan-dahalo tarihan-dry Remena Bila sy Tokanono, any Befotaka ity ny rehetra.

Efa azo an-tsaina aloha fa tsy misy dahalo hitolo-batana izany, ka noho izany dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny fanafihana ny tafika. Fanapahan-kevitra politika, miankina amin’ny mpitondra anefa izany, satria mety ho henjankenjana ihany ny ra ho latsaka. Ireo dahalo rahateo matoa mihantsy dia efa sahy hifanandrina izany izy ireo, ary matoky tena satria mety efa ampy fitaovana. Hatreto ihany koa dia tsy fantatra mazava tsara ny tena isan’ireo dahalo, ary raha raikitra tokoa ny fanafihana sao dia hisy andian-dahalo hafa indray hipoitra tampoka ka ho latsaka afovoany ao ny zandary sy ny miaramila. Tompon-tanàna rahateo ny dahalo ary efa hainy tsianjery ny toerana rehetra. Andrasana amin’ity herinandro ity indray, ny fanapahan-kevitry ny mpitondra momba ity raharaha dahalo any Befotaka ity : ho raiketina avy hatrany ve ny fanafihana, sa hiandry aorian’ny fetim-pirenena ? Ary amin’ny maha filoha faratampon’ny foloalindahy azy moa dia manana ny teny farany amin’ity raharaha ity i Andry Rajoelina. Manomboka eto izany dia miankina aminy ny zava-drehetra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT