Actualités

Fanafihana amin’ny RN7 Tezitra ny zandary


  • Zoma 13 Aprily 2012

Tezitra mafy ny zandarin’Antsirabe manoloana ny fanelezana vaovao tsy marina ataona haino aman-jery eto an-drenivohitra ka namoaka fanambarana manohitra izany ho an’ny mpanao gazetin’Antsirabe.

 Raha ny voalaza dia nisy ny vaovao tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra ny harivan’ny talata 10 aprily fa nisy fanafihana taksibrosy ny alatsinainy 09 aprily tamin’ny toerana tokony ho 5km tsy hidirana an’Antsirabe. Taorian’izay dia nahetsika avokoa ireo mpitandro filaminana nanamarina izany kanefa dia voaporofo fa tsy nisy ilay tranga, ka nahatonga azy ireo nanao ity fanambarana ity mba tsy hampiroaroa ny sain’ny mpitatitra sy ny mpandeha. Ny Lietinà-Kolonely Bama Marima, komandin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Nasionaly Antsirabe mihitsy moa no nanao ity fanambarana ity.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT