Actualités

Fanafihana amin’ny RN7 Manana karatra maha «Assistant Parlementaire» ilay jiolahy


  • Talata 02 Aogositra 2011

Mandeha dia mandeha ny famotorana ilay raharaha fisakanana taksiborosy sy fiara Golf tamin’ny lalam-pirenena RN 7 iny.

Raha tsiahivina dia fiara mpitatitra niisa efatra no voatafika teo Andohanakoho ny zoma 29 jolay hifoha sabotsy 30 jolay teo, ary ny alin’ny sabotsy hifoha alahady indray dia ilay Golf kely nitondra olona nanana vovo-bolamena no voatafika tao atsimon’i Fatihita. Jiolahy telo no voasambotra. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana avy amin’ny zandary tao Andranomadio Antsirabe no nahafantarana fa tena tompon’antoka tanteraka tamin’ireo tranga fanafihana fiara nisesy tao Vakinankaratra ireto jiolahy ireto ary tena efa gaigilahy tokoa. Fantatra mantsy fa mbola misy fiara 4x4 iray miloko fotsy niaraka tamin’ireto tratra ireto fa tara ny fanomezam-baovao. Fantatra kosa fa io fiara miloko fotsy io no nanao ny fanafihana ny tao Anjoma Ramartina sy ny tao Andohanakoho, araka ny fanazavana nomen’ny zandary prinsipaly kilasy ambony Raherimihajaharenanirina Andriamitantsoa, Komandin’ny tobim-paritra ao Antsirabe.

Hita tamin’ny iray tamin’ireto jiolahy ireto koa ny karatra maha "Assistant Parlementaire" azy. Anisan’ny fepetra horaisin’ny mpitandro filaminana moa ny fampiatoana ny fifamoivoizana amin’ny RN7 sy ny RN34 manomboka amin’ny 09 alina ka hatramin’ny 03 ora maraina ho fisorohana ny tranga toy izao. Mitohy kosa ny fikarohana ireo namany tafaporitsaka ary hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny fanadihadiana ataon’ny zandary Andranomadio.

 

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT