Actualités

Fanafarana PPN Nitombo nandritra ny 3 volana voalohany


  • Alarobia 18 Mey 2016

Sambany tao anatin’ny 3 taona nisesy vao mba nilatsaka ny fanafaram-bary avy any ivelany nandritra ny telovolana voalohany teto Madagasikara.

Nilanja 43.600 taonina izany tamin’ny volana martsa 2016 raha nanodidina ny 9 alina taonina ny taona 2015 ary 1/5-n’ny lanja nohafarana tamin’ny taona 2014. Niakatra daholo kosa ny fanafarantsika ny ankamaroan’ireo entana ilain’ny mponina andavanandro na ny « produits de première necessité», araka ny tarehimarika navoakan’ny ladoany Malagasy. Voakasik’izany, ohatra, ny lafarinina izay lasa avo roa heny mihoatra ny tamin’ny telo volana voalohan’ny taona 2015. Nitombo 41% ny siramamy avy any ivelany tonga eny anivon’ny fiarahamonina malagasy ary tafakatra 50% torak’izany ny menaka fahandroan-tsakafo tafiditra eto Madagasikara. Lasa lanja miakatra ihany koa ireo fiarakodia vaovao nigadona eny amin’ny seranan-tsambo raha niiba 12% ny isan’ireo fiarakodia efa niasa. Nidina 14% kosa anefa ny fampiasan’ny Malagasy solika tao anatin’ny volana janoary hatramin’ny martsa 2016 raha oharina amin’ny fanjifana nisy ny 3 volana voalohan’ny taona 2015.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT