Actualités

Fanafainganana ny asam-pitsarana Notsirihana tampoka ny tao Tsiafahy omaly


  • Zoma 03 Septambra 2021

Nidina ifotony teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny Tonia Mpampanoa Lalàna (Procureur de la République – PR) eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (Tribunal de Première Instance – TPI) Antananarivo,

sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky omaly. Ity fonjabe iray ity izay misy fiarovana manokana raha tsiahivina, no nanaovana ny fitsirihana tampoka . Araka izany dia nojerena tamin’ny an-tsipirihany ireo lisitry ny voafonja, ireo toerana misy azy ireo, nohenoina ireo fanamarihana sy fitarainana manokana avy amin’izy ireo, noraisina an-tsoratra tsirairay hatao tatitra amin’ny ambaratongam-pahefana mahefa isan-tsokajiny mba hoenti-manatsara ny asa. Anisan’izany ohatra ny fangatahana fifindrana toeram-pamonjana, ny fanalefahan-tsazy, ary ny fanampiana ara-tsakafo sy ny vahaolana amin’ny fahafenoan’ny fonja. Araka ny nambaran’ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny TPI Antananarivo, Rtoa Rakotoarivony Marie Annick, dia ilaina tanteraka amin’ny fanatsarana ny asa ny fidinana ifotony tahaka izao. Ho an’ny Talen’ny Fonjabe misy fiarovana manokana ao Tsiafahy, Atoa Rabenatoandro Lahatra Willy, dia nosinganiny manokana ny fihoaran’ny isan’ny voafonja, izay efa lasa 3 na 4 heny amin’ny tokony ho zakan’ny foto-drafitr’asa. Na izany aza dia miezaka ireo tompon’andraikitra mifehy ny fandriam-pahalemana, sy ny fiahiana ny zon’olombelona. Nomarihiny fa tsy mbola nisy hatramin’izao ireo voafonja tratran’ny valan’aretina Covid-9 tao Tsiafahy.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT