Actualités

Fanadinana sy tambinkarama Nametraka fanamby ny minisitra Manoro Régis


  • Alakamisy 25 Jolay 2013

Ny andro sisa andrasana fa raha ny momba ny lafiny teknika rehetra dia efa vonona avokoa ny fanomanana, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ny Dr Manoro Régis, nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly teny amin’ny birao fiasany Anosy.

Mahatratra 310 000 latsaka kely ny isan’ny mpiadina manerana ny Nosy, ary somary nisy fihenany izany niohatra ny tamin’ny taon-dasa. Manentana ny mpianatra hifantoka tanteraka amin’ny fifidianana ny minisitra ary manentana ireo ray aman-dreny ihany koa hanampy hatrany ireo zanany hiadina fanadinana fa izay no andraikitr’izy ireo fa ny ministera no miantoka tanteraka ny fanatontosana ara-teknika rehetra. Mikasika ny tsy nahatontosana kosa ny fanadinana CEPE tany amin’ny Kaominina Ivahona, Distrikan’i Betroka, dia nanamafy ny minisitra Manoro Régis fa tsy avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena velively no nahatonga ny tsy nahatontosa izany fa noho ny asan-dahalo niteraka tsy fandriampahalemana ka nahavoatery ny tompon’andraikitra tany an-toerana nampiato izany.

Tsy hijanona eo anefa izany fa rehefa natao ny fikarohana vahaolana teo amin’ny ministera sy ny mpitandro ny filaminana dia hotontosaina ny talata ao aorian’ny BEPC ny fanadinana CEPE manokana any an-toerana. Mikasika ny tambinkaraman’ireo mpampianatra mpitsara ny fanadinana BEPC kosa dia nanambara ny minisitra fa efa noraisina avokoa ny fepetra rehetra tsy hiverenan’ny olana toy ny teo aloha. Raha ela indrindra dia herinandro ao aorian’ny fahavitan’ny fanadinana dia hivoaka ny vokatra rehetra manerana ny Nosy. Fanamby hapetraky ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena io, hoy ny Dr Manoro Régis namarana ny tafa nifanaovana tamin’ny mpanao gazety.

 

 

 

Nofy R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT