Ny lazaolana na ny “problčme” tamin’ny ankapobeny no tena olan’ireo mpiadina niatrika ny fanadinana CEPE teto an-drenivohitra omaly.
Somary nisy fandrika izany raha araka ny fanadihadiana nataonay tamina mpiadina vitsivitsy, antony nahatonga azy ireo hanana fanahiana sahady ny mety hahadiso ny asa rehetra nataony hatrany am-boalohany. Ny tantara kosa ho an’ny sasany, izany hoe ireo taranja natao ny maraina avokoa no tena nanahirana azy ireo. Ny ankoatra izay dia nisosa sy nizotra araka ny tokony ho izy araka ny fanadihadiana natao ihany. Na izany aza anefa dia samy manana fanantenana ny ho afaka avokoa izay rehetra nanontaniana.
Nilamina rahateo ny fizotry ny fanadinana tamin’ny ankapobeny raha nisy ihany ireo tsy tonga tamina foibem-panadinana sasantsasany noho ny antony ara-pahasalamana sy ny olana hafa. Raha araka ny fanazavana dia tsy haharitra ela fa amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao ihany dia hivaly ny fanadinana CEPE raha vao manomboka amin’ny adina ara-panatanjahantena kosa ny bakalôrea. Nizotra araka ny tokony ho izy ihany koa ity farany ho an’ireo mpiadina niatrika izany tetsy amin’ny Saint Michel Amparibe noho ny tsy fahafahana nampiasa ny kianjaben’i Mahamasina. Mpanaraka iray isaky ny mpiadina iray ihany no azo nekena, nanomboka tamin’ny 07 ora maraina, nifarana tamin’ny 04 ora hariva.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.