Nilamina ihany tamin’ny ora farany ny fitsarana ny laza adina BEPC ho an’ny Cisco Antsirabe I.
Ny marainan’ny alarobia 31 jolay mantsy dia tsy mbola nanomboka mihitsy ny fitsarana ireo taratasim-panadinana efa vita raha toa ka isaky ny vita ny laza adina iray dia tokony hotsaraina izany. Raha ny hita dia fifanazavana sy fifandresen-dahatra mihitsy no mbola natao io maraina io ka ny fototry ny olana dia ny fitakiana ny tambin-karama nitsarana ny fanadinana tamin’ny taon-dasa. Nambaran’ireo mpampianatra fa nisy ny fampanantenana nataon’ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena fa ho azo alohan’ny 26 jolay nanombohan’ny fanadinana io vola io. Hatramin’izao anefa tsy mbola nivoaka izany, hoy ireo mpampianatra nanontaniana, ka sao tsy hisy akory ny vola dia aleo tsy mitsara intsony.
Raha ho an’ny Cisco Antsirabe II moa dia efa didy avy hatrany no nomena ireo mpampianatra mpiasam-panjakana fa hosaziana izay mitokona amin’ny fitsarana ka tsy nisy sahy nanohitra izany. Ary ireo mpampianatra tsy miankina amin’ny fanjakana dia nailika avy hatrany fa hoe tsy hisy ny vola ho azy ireo, hono. Ny tolakandron’ny alarobia 31 jolay moa vao nanomboka mihitsy ny fitsarana ireo laza adina efa vita hatramin’izay ka azo antoka fa tsy ho tratra hatramin’ny alahady izay nolazaina fa hamoahana ny voka-panadinana izany. Raha ny fanazavana azo tamin'ny lehiben'ny fari-piadidiam-pampianarana dia ny fitokonan'ny tompon'andraikitry ny famoaham-bola no tsy ahafahan'izy ireo manoatra hatreto saingy hinoan'izy ireo fa tsy maintsy hiravona ny olana.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.