Actualités

Fanadinana BEPC Ny zokin’ilay kandida no namita ny roa andro voalohany


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2011


 Vaovao mahoraka tao Mampikony ity tranga ity. Ny zokin'ilay mpiadina Bepc no niatrika ny fanadinana ny andro voalohany sy faharoa ary ilay tena kandida no namita ny andro fahatelo sy fahefatra sady namarana azy. Ny nahagaga dia efa taty amin’ny andro fahefatra, hono, vao tratra izany. Tsy fantatra mazava hatreto ny anton’io. Ankoatra izay, nanokafana foibem-panadinana vaovao tao amin’ny Ceg Bekoratsaka sy Ambohitoaka ary Ampasimatera, mbola any amin’ny Cisco Mampikony ihany. Fa ny nahatalanjona dia tsy mikatona ilay faritra misy ny anarana sy ny mombamomba ireo mpiadina amin’ireo taratasim-panadinana avy any Ampasimatera, ankoatra izay dia tsy nihidy koa ilay valopy nisy ireo kopian’ny mpiadina. Andrasana amin’ity herinandro ity moa ny voka-panadinana Bepc ôfisialy araka ny fampanantenana nataon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT