Actualités

Fanadinana BEPC Miteraka adihevitra ny fitsarana azy


  • Talata 30 Jolay 2013

Nizotra tamim-pilaminana tamin’ny ankapobeny ny fanombohan’ny fanadinam-panjakana faharoa ahazoana ny maripahaizana Bepc miampy ny fidirana amin’ny kilasy faha-10 omaly alatsinainy eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Ny taranja Malagasy sy ny SVT na fahalalana tsotsotra no nisantaran’ireo mpianatra miisa 309.983 ao amin’ny kilasy faha-3 ny andro voalohan’ny 29 jolay 2013. Mbola hisedra ireo taranja 5 ambiny dia ny matematika, ny frantsay, ny tantara sy jeografia, ny fizika ary ny anglisy manomboka anio talata hatramin’ny alakamisy maraina ireo mpiadina. Araka ny fantatra teny amin’ny foibem-panadinana Lycée Moderne Ampefiloha dia mpiadina 151 no tsy tonga niatrika ny sedra ny tapak’andro marainan’ny omaly. Mbola miteraka adihevitra kosa hatramin’izao ny fitsarana ireo kopiam-panadinana izay tokony hotanterahin’ireo mpampianatra mpitsara avy hatrany vao vita ireo taranja hifaninanana.

Ny SEMPAMA na sendikan’ireo mpampianatra sy mpanabe eto Madagasikara moa dia nitaky ary mbola manohy ny fitakiana ny tokony handoavana ireo trosa izay tsy voaloa mialoha ny hitsarana ny fanadinam-panjakana Bepc taom-pianarana 2012-2013. Ny faran’ny herinandro lasa teo dia nanambara ny minisitra miahy ny fanabeazam-pirenena, Manoro Régis ary nohamafisin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, toy ny teo anivon’ny fari-piadidim-pampianarana Antananarivo Renivohitra, fa efa vita sonian’ireo “Inspecteurs d’Etat” ny antontan-taratasy tambin-karaman’ireo mpampianatra nitsara ny fanadinana tamin’ny taon-dasa ary an-dalam-pandinihana izany izy ireo. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa ireo mpanabe teny anivon’ireo sekoly tsy miankina no niandraikitra tamin’ny ampahany betsaka tamin’ny fitsarana ireo kopian’ny mpiadina, herintaona lasa izay. Hatreto aloha dia tsy mbola voafaritra mazava kosa ny andro handoavana izany.

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT