Fanadinana bakalôrea

> Ambany ny fari-pahaizan’ny mpiadina


  • Alatsinainy 02 Septambra 2013

Mifarana amin’ny tapaky ny herinandro vaovao ity ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny mpiadina teto Antananarivo. Efa vita tsara avokoa ny taranja rehetra afa-tsy ny Jeografia sy ny filozofia.

Noho ny tsy fahampian’ny mpitsara sy ny fodian’ny sasany aloha no mahatonga izany, araka ny fanazavan’ny mpitsara iray. Amin’ny ankapobeny dia midina ny fahaizan’ny mpianatra tamin’ity taona ity raha ampitahana tamin’ny taon-dasa raha ny taranja filozofia no resahana. “Tsy manana ny niveau kilasy faha-11 akory ny mpiadina sasany”, hoy Razafimampionona, anisan’ny mpitsara. Mihevitra ny tenany ankoatra izay fa noho ny hamaroan’ny kandida tsy miankina izay efa mananika ny antsasa-manilan’ny mpiadina ao amin’ny sokajy A no mahatonga an’io. Mazàna tokoa dia ireo tanora amin’ny kilasy siantifika mbola ao amin’ny taona faha-11 no mitifitra bakalorea sokajy A. Indraindray koa anefa dia ireo tsy maharaka any amin’ny kilasy siantifika no mivadika amin’ity sokajy ity izay heveriny ho moramora kokoa.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT