Nitombo teo amin’ny 5% na mpiadina 3.000 ny isan’ny kandidŕ amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea tamin’ity taom-pianarana 2012-2013 ity.
Mahatratra 63.865 ny mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana manerana an’i Madagasikara no hiatrika ireo taranja hanadinana mandritra ny dimy andro manomboka androany alatsinainy 19 hatramin’ny zoma 23 aogositra 2013. Raha niakatra ny isan’ireo kandidà mpiadina ao amin’ny sokajy A2 dia nidina 300 kosa ireo mpianatra hanala bakalorea sampana teknika. Anisan’ny mampiavaka ity fanadinam-panjakana indray mitoraka ity ny fisian’ireo mpiadina teratany vahiny 6. Lehilahy 70 taona no zokiny indrindra raha tovovavy kely 12 taona ny mpiadina zandriny indrindra. Miavaka koa ny fisiana sembana miisa 12 ka ny 5 marenina raha miisa 7 kosa ny jamba.
Toraka izany koa ny fisiana voafonja miisa 2 ka tovolahy avokoa izy ireo. Fa nitondra fanitsiana vitsivitsy amin’ny fomba fizotry ny fanadinana ny ofisy misahana ny bakalorea Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny nandrosoana ireo taranja an-tsoratra natrehan’ireo mpianatra teknika ny herinandro lasa teo iny mba ahafahan’izy ireo miara-miatrika ireo taranja itambarana amin’ny fampianarana ankapobeny izay manomboka androany. Mbola hita ihany koa ny fanovàna ny taranja voalohany hanadinana ireo mpianatra dia ny filozofia manomboka izao raha mahazatra hatrizay kosa ny laza adina malagasy. Voakasik’ity fanatsaràna ity ihany koa ny fandaharam-potoanan’ireo taranja hatrehan’ireo mpiadina bakalorea ny folakandro satria miovaova ny ora fidirana ka misy ohatra ny manomboka amin’ny 1 ora, amin’ny 1 ora sy 30 minitra ary amin’ny 2 ora. Tsara ho fantratra ihany koa fa tsy tokony hihoatra ny 15 minitra ny fahataran’ireo mpiadina izay midika ny tsy fahafahana miatrika ilay taranja hanadinana ka mamerin-taona avy hatrany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.