Raikitra izany fa dia hotanterahina manerana ny Nosy anio talata 7 aogositra ny fanadinana CEPE. Mpiadina miisa 488.532 no voasoratra anarana hiatrika ity fanadinam-panjakana ahazoana diplaoma voalohany ity.
Hitsinjara amin’ny efitrano fanadinana miisa 12.406 sy foibem-panadinana 1619 izy ireo amin’izany. Vonona ny zava-drehetra ary miara-misalahy amin’izany ny governemanta manontolo, ny mpitondra any amin’ny faritra sy Distrika rehetra ny Fokonolona ary ny mpitandro filaminana araka ny nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Manoro Régis omaly. Etsy andaniny ny SEMPAMA, tamin’ny alalan-dRaharovoatra Claude, filohany, dia nanamafy fa “efa hatramin’ny ela izahay no nilaza fa tsy handray anjara amin’ny fanatanterahana ny fanadinana, na mialoha na mandritra na aoriana, koa dia tsy tompon’andraikitra ny SEMPAMA raha misy zavatra mety miseho, fa ireo mialona anay no ao ambadik’izany ary tsy afaka amin’izany ny ministera”. Mamita iraka any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny moa ny delegasiona tarihiny amin’izao fotoana izao. Tao Bekily izy omaly, ary nanome toromarika ny mpampianatra SEMPAMA fa “tsy mandray anjara amin’ny CEPE”. Manao fivoriana savaranonando ny SEMPAMA manerana ny Nosy amin’io talata io, hoy izy, hanomanana ny “assise nationale” hatao ato ho ato. Lohahevitra raisina amin’izany ny hoe: «Mpampianatra mpanabe mandray an-tanana ny hoaviny», araka ny nambaran-dRaharovoatra Claude hatrany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.