Actualités

Fanadinam-panjakana 2012 Ho bôjo indray


  • Alatsinainy 25 Jona 2012

Hitovy tsy misy valaka amin’ny zava-nanjo ireo tanora mpanala fanadinam-panjakana tamin’ny taona 1991-1992 ny mpianatra Malagasy amin’ity taona ity.

 “Génération sacrifiée” no filaza azy, izany hoe mety lasa sorona noho ny savorovoro eo amin’ny sehatry ny fanabeazana izay mbola voka-dratsin’ny korontana ara-politika koa izy ireo. Tsy manan-jo hanatontosa fanadinam-panjakana ho an’ny sekoly tsy miankina nianatra ara-dalàna samirery mantsy ny ministeran’ny fanabeazana fa laza adina mitovy ihany no tsy maintsy iraisan’ny mpiadina rehetra. Noho tsy fisian’ny fianarana efa mahatratra efa-bolana ho an’ny sekolim-panjakana sasany any amin’ny Faritra dia tsy ho vita mihitsy ny hamita manontolo ny fandaharam-pianarana na misy aza fanemorana ny datim-panadinana.

Tsy maintsy hatreo amin’ny fandaharam-pianarana vitan’ireo mpampianatra amin’ny fanjakana no volavolaina ny laza adina izay azo antoka fa ho mora tokoa. Mbola afaka manarina ny lesoka anefa ny mpianatra izay tafita amin’ny taona faha-6 sy faha-10 fa ireo mpanala bakalôrea kosa no ho sahirana rehefa miakatra eny amin’ny anjerimanontolo. Na tsy haharaka ny ankamaroany amin’izy ireny rehefa eny amin’ny oniversite na tsy tafiditra amin’ireny sehatra ireny mihitsy satria ambany ny fari-pahaizany. Vao mainka ho sarotra ny raharaha raha mitady asa avy hatrany satria sady tsy ampy ny lesona no tsy ampy koa ny fampiharana lany tsy fidiny amin’ny vangambao noho ny fitokonan’ny mpampianany. Marihina fa ataon’ny olona eson-teny mazàna ireo mpianatra Malagasy nahazo ny “bakalôrea” 1991-1992 izay niaina toe-draharaha sahala amin’ny ankehitriny. Mety hampitovian’ny olona amin’izy ireo koa ireo tanora mahazo ity diplaoman’ny fampianarana ambony voalohany ity amin’ity taona ity.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT