Actualités

Fanadihadiana ny raharaha Ikongo Hodinihin’ny Antenimiera ny fananganana kaomisionina


  • Zoma 04 Novambra 2022

Hodinihina ao amin’ny asam-baomiera eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny alatsinainy 07 novambra 2022 izao ny fangatahana fananganana kaomisionina mpanao fanadihadiana mikasika ny raharaha Ikongo,

izay nisiana fitifirana vahoaka nahafatesana olona manodidina ny 30, ary naharatrana maro ny 29 aogositra lasa teo. Soso-kevitra niainga avy amin’ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa izay voafidy tany amin’ny distrikan’Ikongo sady Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena io. Somary nangingina moa ny tohin’ity raharaha ity, izay niteraka adihevitra samihafa. Io depioten’Ikongo io izay efa nilaza ankarihary fa tsy fiarovan-tena intsony ireny, fa vono moka. Nisy mihitsy aza ny filazany izay voalaza fa niainga tamin’ireo nanatri-maso, fa dia nafindra fa taorian’ny nitifirana vahoaka vao nafindra toerana ny tady mamaritra ny faritra mena. Tahaka izany ihany koa ny hoe: nisiana manamboninahitra ambony nanome baiko hoe: “tonga dia rafaleo”,… Marihina fa manamboninahitra ambony avy amin’ny polisim-pirenena Atoa Brunelle Razafitsiandraofa ankoatra ny maha depiote azy. Tetsy ankilany, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Serge Gellé dia efa naneho tetsy ankilany fa nanaraka ny antanan-tohatra sy ny voalazan’ny lalàna misy ny mpitandro ny filaminana. Naneho fa namerina ny filaminana sy niaro ny borigady izay misy fitaovam-piadiana sy ireo olona notazoninana izay nahiana ho nanao asa ratsy ny zandary. Na izany aza, navelan’ny zandary teo ihany ny toby rehefa vita ny fitifirana, ary tsy fantatra intsony ny niafaran’ireo olona notazonina, izay voalaza fa votsotra. Teo ihany koa ny nilazan’ny SEG fa tsy ny zandary irery no nitifitra fa nisy polisy naka sy nampiasa basin’ny zandary,… Mbola antenaina ho lasa lavitra ve ity raharaha ity sa hitohy hangina sy hatory tanteraka? Tetsy ankilany, toa lasa fifamaliana ankolaka teo amin’ny SEG sy ny depiote Brunelle ny resaka tontolon’ny mpitandro filaminana. Ity depiote ity nilaza fa tokony hofoanana ny zandarimaria, ny andaniny namaly ankolaka hoe: alefaso ary ny tolo-dalàna manafoana azy raha izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT