Nivoaka tamin’ny fahanginany indray omaly ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy manoloana ilay resabe nandeha mikasika ny hanaovan’ny solombavambahoaka fanadihadiana momba ny fikirakirany tany.
Nambarany fa mahafaly azy tokoa izany mba hisehoan’ny marina sy ahitana ireo tena be vinany. Tany tetsy Ankadimbahoaka no niantombohan’io resaka enquête parlementaire io. Noho izany, tsy ny tenany irery na ny fikambanana HAFARI Malagasy no tokony hanaovana fanadihadiana fa voakasika ihany koa ny solombavambahoaka Naivo Raholdina. Naveriny hatrany fa resaka vola 100 tapitrisa Ar nomen’ny orinasa Filatex no nipoiran’ny olana. Miantso ireo solombavambahoaka hanao ny asa ny tenany mba ho solombavambahoaka tsy miandany na amin’iza na iza na akamakama fa tena hijanona eo afovoany tsara. Ankoatra izay, notsindriany fa tsy matahotra io fanadihadiana hataon’ny solombavambahoaka io ny tenany satria tsy nanao ratsy. Tsy hitsoaka aho fa vonona ny hijoro na hosavaina ihany koa aza ny tranoko, hoy izy. Ho an’ireo olona manana trosa aminy izay nitory dia nomarihiny fa tsy misy izay tsy ananan’olom-bola. Tsy eny amin’ny Antenimieram-pirenena ihany koa no hitakiana izany, sady fiainan’ny fikambanana manokana izany, tsy hidiran’ny hafa. Fanontaniana napetrany ny hoe raha hanaovan’ny solombavambahoaka fanadihadiana ny fikambanana tarihiny, inona ihany koa no antony tsy hanaovana fanadihadiana an’ny mompera Pedro izay mpanao asa sosialy toa azy ireo ?
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.