Actualités

Fanadihadian’ny DST Manomboka fa tsy hita fiafarana


  • Zoma 01 Jona 2012

Tahaka ny raharaha Marais Masay nahavoarohirohy an’i Mamy Rakotoarivelo ho naniraka olona hifofo ny ain’ny filohan’ny FAT, sy ny raharaha Tojo Ravalomanana izay nambara fa manao trafikana fitaovam-piadiana, dia nangina tsimoramora ihany koa ny fanadihadiana nataon’ny DST momba ilay hoe ody gasy mahery saika hamonoana an’i Andry Rajoelina.

 Nijanona tamin’ny fampidirana am-ponja ireo ambara fa mpanao ody gasy roa nohafarana manokana avy any Toliara ny raharaha. Ilay minisitra nampiantrano azy ireo kosa dia tsy natao fanadihadiana, nitsivalana tamin’ny fanatanterahana izany mantsy ny governemanta. Ilay minisitra rahateo efa nilaza fa tsy mahalala na inona na inona amin’io raharaha io. Nambarany aza fa fanalam-baraka azy ilay zava-nitranga. Nangina ho azy ve sa nampanginina mba tsy hanohy ny fahandihadiany intsony ny DST, izay eo ambany fiahian’ny fiadidiana ny tetezamita ary manana ny foibeny eny Ambohitsorohitra ? Ny mahatalanjona ny mpanara-baovao amin’ity raharaha ity mantsy dia natao nahoraka be mihitsy ilay izy tany am-boalohany, avy eo dia niha nangina tsimoramora dia tsy re intsony. Nambara anefa fa fikasana hamono filoha ilay izy. Zavatra tahaka izany ve dia atao mangina tampoka teo.

Mampametra-panontaniana ny maro ihany koa ny hoe : rehefa olona ambony sy manampahefana izany no miteny fa tsy meloka izy na tsy misy idirany mihitsy ny raharaha maloto iray, tonga dia mino azy ny mpitandro ny filaminana ka tsy alaina am-bavany sy tsy samborina izy. Fa rehefa olon-tsotra kosa no voarohirohy dia tsy maintsy miditra am-ponja vonjimaika aloha, na meloka na tsia ? Sa ve tsy mitombina indray izany ny fiampangana ireo mpimasy avy any Toliara sy ny olona, mety naniraka azy, ka natsahatra ny fanenjehana ? Ny tranga tahaka izao no mahatonga ny olona tsy hatoky ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana eto amintsika. Be loatra mantsy ny mistery sy ny zavatra manjavozavo ao amin’ny fomba fiasa. Izay no mahatonga ny maro hanambara ihany koa fa tsy mbola misy fitsarana mahaleotena izany eto, ary maro ny sampandraharaham-panjakana ataon’ny mpitondra fitaovana politika.

Araka ny fahitan’ny be vazivazy azy, kely sisa dia hanamontsana ny zava-bita tsara indrindra amin’ny fahamaroan’ny "Grands dossiers" ihany koa ity fitondrana tetezamita ity, raha ampitahaina amin’ny fitondrana rehetra nifandimby teto Madagasikara, ary isan-karazany mihitsy ilay izy. Ao ny trafikana boaderozy, volamena, safira, ny fipoiran’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany tampoka. Fa eo ihany koa ny fikasana hamono ny filohan’ny tetezamita, ny nahafatesan’ny minisitry ny mponina teo aloha Nadine Ramaroson, ny namonoana andiana polisy ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara. Tsaroana ihany koa ilay sambo Tiorka nitondra akora simika an’aliny taonina rendrika tamin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara tamin’ny faramparan’ny volana aogositra 2009. Tsy resahana intsony ny fanagiazana tanin’olona ataon’ny mpanambola manerana ny Nosy. Na dia misy aza ny sangodim-panina politika, ao anatin’izao krizy izao dia tokony ho mailo sy hitandrina fatratra amin’ny asa ataony sy ny zavatra ambarany ny mpitandro ny filaminana, mba tsy ho sanatria lasa fitaovana politika mba handemena ny sain’ny mpanohitra, na koa handrebirebena sy hanariana dia ny sain’ny olona.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT