Actualités

Fanadihadian'ny depiote ny trafikam-bolamena Mba ho lasa lavitra sa ho resabe fotsiny indray ?


  • Alarobia 18 Mey 2022

Nankatoavin'ireo solombavambahoaka omaly 17 may 2022 ny fandaharam-potoana ny 12 mey hatramin'ny 01 jona 2022 ho avy izao.

Isan'ireo hodinihina ny tolo-pehi-kevitra laharana 001-2021/PR«portant création d'une Commission d'enquête parlementaire sur le trafic d'or à Madagascar » natolotry ny solombavambahoaka Mohamad Ahmad, Filohan'ny komisionina momba ny harena an-kibon'ny tany. Ho lasa lavitra ve ity fikasana hanao fanadihadiana parlemantera ity sa ho kisehoseho ivelany sy hafana am-boalohany tahaka ny fanadihadiana momba ireo orinasan-pifandraisan-davitra? Henjana ny raharaha trafikana volamena, izay toa nanjavona ny ankamaroany, toy ny 73,5kg tratra tany Afrika Atsimo ny faran'ny taona 2020, ny 49kg tratra tany Kaomoro ny faran'ny taona 2021, ny 22kg tratra tany Seychelles,... Mba efa betsaka ihany izay olona ambony samihafa voatontonona amina trafikana volamena sy vatosoa ary misy Depiote mihitsy aza araka ny ampamoaka nataona Depiote mpanohitra, misy minisitra teo aloha sy am-perin'asa,... fa tsy mba voakitikitika. Raha hiverenana kely ny raharaha 73,5kg, nisy mpandraharaha amin'ny resaka fitaterana anabakabaka nitsoaka ankolaka an'i Madagasikara ary niverina mangingina rehefa nilalindamina ny resaka. Inona no nialana an'i Madagasikara raha tena madio? Satria mety namana akaiky sy mpiray latabatra amin'ny mpitondra ambony dia milamina fa ny mpiasa Malagasy madinika ihany no manefa any Antanimora sy Tsiafahy ? Nolazaina ny 06 janoary 2021 fa tsy maintsy hampodiana eto mialohan'ny 12 janoary 2021 ny volamena sy ireo telolahy nitratra tany Afrika Atsimo ka aiza ary izany izao? Ny 49 kg tratra tany Kaomoro, tena fanenjehana ve no nampodiana ireo roalahy tratra sa sanatria fanapenam-bava. Naneho ny minisitry ny fitsarana teo aloha fa an'arivony taoniny no nokasaina haondrana ary misy teratany Malagasy sy vahiny no atidoha saingy nangina niaraka tamin'ny fialany ny raharaha. Avo lenta ity raharaha trafikana volamena ity ka toa resaka ambony latabatra no betsaka hatreto.

Toky R


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

Hijery ny tohiny
FTT