Nanao tatitra ambangovangony ny vokatry ny fanadihadiany nandritra ny hadimiana tany Toamasina ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita mivondrona anaty kaomisiona manao fanadihadiana momba ireo raharaha mafana eto amin’ny firenena.
Anisan’izany ny raharaha nahafaty an’i Nadine Ramaroson, minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy, maty tao Soanierana Ivongo noho ny fivadihana sy fipoahan’ny sambo kely nitondra azy avy ao Sainte Marie ny tolakandron’ny alahady 28 aogositra 2011. Nambaran’ny CST Rasambozafy Cyrille filohan’ny vaomiera iray ity fa “maro ny antontan-taratasy sy vaovao nomen’ireo olona tsara sitrapo ary fanazavana azo tamin’ireo mahay tsara sy nahita iny raharaha iny ankehitriny. Araka ireo vaovao nangoninay ireo dia mitombina hatreto, fa novonoina ity minisitry ny mponina ity”.
Nomarihany koa fa betsaka ny antontan-taratasy nananany sy fantany ary efa eo an-dalana ny hanao hapamoaka azy Rtoa Minisitra no izao niharan-doza izao izy sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo olona niara-dalana taminy. Tsy misy hita anefa ireo antontan-taratasy ireo izay tao anatin’ny entana nentiny. Tsy Rtoa Nadine Ramaroson ihany anefa no nanaovanay ny fanadihadiana fa teo koa ireo maty rehetra tafara-dia taminy. Mbola ho avy ny famoahanay ny tena marina mikasika azy iny raha vita ny antontan-taratasy rehetra sy ny fanadihadianay”, hoy hatrany Rasambozafy Cyrille.
Ankilan’izay ny raharaha Sirama izay tena ahitana fa betsaka ny gaboraraka sy ny fanodinkodinana fananam-panjakana tao anatin’ny efa-taonan’ny tetezamita. Araka ny fanazavana nomen’ny CST Tsiohaza Patrice nisolotena ny filohan’ny kaomisiona, Joseph Yoland, dia potika, simba, nisy nangalatra ireo vy, ary natao tantely afa-drakotra ny Sirama Brickaville tahaka ny manjo ny Sirama Namakia, nefa mitazam-potsiny ny mpitandro ny filaminana amin’ny lalam-pirenena faha-02 sy ao Brickaville.
Manginy fotsiny, hoy izy ireo ny fanakanana nataon’ny DST (Direction de la surveillance du territoire) nandritra ny fanokafana ny valopy nirakitra ny tolo-bidy natao sy ny sakantsakana ataon’Ambohitsorohitra amin’ny fanaovana ny tolo-bidy manaraka indray. Ankoatra izay, nambaran’ireo CST anaty kaomisiona mpanadihady ireto fa tsy misy matahotra sy mifampatahotra eto. Ho aiza marina isika ? Hanova sa hanapotika ? Hametraka ny mangarahara sa samy hangalatra ? Hanarina sa hampikorosy an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ? Isika no mandinika, hoy ireto CST ireto namarana ny fanazavany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.