Tsy manana fandaharanasa matotra hitsinjovana ny tanora ny fitondram-panjakana, hany ka lasa mirona amin’ny zavamahadomelina sy ny loka ny ankamaroan’izy ireo.
Izany indrindra no nahatonga ireo mpanabe sy ray aman-dreny eny amin’ny boriborintany faha-4 eto Antananarivo Renivohitra hikaroka hevitra hampiarahana ny fanabeazana sy ny fialamboly, anisan’izany ny fitarihana ireo tanora hirona bebe kokoa amin ny hira ara-pilazantsara na antsampanahy. Koa dia hisy ary ny fifaninanana natokana ho an’ireo antoko mpihira hotanterahana ny sabotsy 18 jona ho avy izao amin ny 2 ora tolakandro ao amin’ny EKAR Maria Mpanampy Soanierana. Maimaimpoana ny fidriana saingy hisy kosa ny rakitra hotatazana izay hipetraka manontolo hanasoavana ny fiangonana. Ny Solontenan’ny raiamandreny mpiahy solombavambahoaka Randriamandimbisoa Félix dia hanolotra fanomezana miavaka ho an’ireo voalohany amin’izany fifaninana izany miaraka amin ireo orinasa vitsivitsy nasaina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.