Anisan’ny fanamby napetraky ny fanjakana mialoha ny krizy ny ezaka tsy hamerenan’ny mpianatra lakilasy na ilay atao amin’ny fiteny frantsay hoe : «taux de redoublement zéro».
Nahavelom-bolo tokoa izany ho an’ireo manana fomba fijery mivoatra sy mandroso. Samy manome ny anjara birikiny manko ny tsirairay. Ny mpianatra hiezaka hahazoany ny salan’isa ambonin’ny fetra farany ambany, ny fanjakana nanome fitaovana hampirisihana na ireo mpanabe na ireo ray aman-dreny, ireo ray aman-dreny indray hanohana ireo zanany, ny mpampianatra ankilany hanatanteraka ny asany amin’ny tena maha mpanabe azy. Raha ireo no tanteraka dia hisy dingam-pampandrosoana kehibe tokoa eto Madagasikara. Ny tena zava-misy marina anefa, indrindra tato anatin’ny roa taona izao dia nanomboka nikorosofahana ilay hoe : «taux de redoublement zéro». Maro ireo niala an-daharana, tsy afaka nandia intsony ny varavaran-tsekoly satria tsy manana ny hoenti-manana amin’izany intsony ireo ray aman-dreny izay zary lasa sahirana ihany koa. Tsy vitany intsony koa manara-maso ireo ankizy noho ny fahasarotan’ny fitadiavana. Ireo mpianatra mbola afaka manohy ny fianarany moa dia tsy vitsy ireo lasa mirona amin’ny zavatra mamoafady toy ny fidorohana zava-mahadomelina, ny filalaovana fotsiny any an-tsekoly sy ny maro hafa tsy voatanisa satria raha ny lazaina azy dia hifindra foana izy na mianatra na tsia. Fanamby manko ny fanafoanana ny famerenana lakilasy ka na dia latsaka ambany dia ambany aza ny naoty dia mifindra ihany. Ireo mpanabe indray dia voatery lasa manenjika ora fampianarana sy fandaharam-potoana sisa satria efa taraiky be vao manomboka ny taom-pampianarana. Raha ny zavatra niainana hatramin’izay dia efa vakansy ny kilonga mialoha ny 26 jona, efa vita ny fanadinana CEPE. Tato anatin’ny telo taona anefa izay dia efa volana jolay fa tsy vita mbola ny CEPE. Dia taraiky manaraka izay avokoa ireo fanadinam-panjakana rehetra, ny taom-pianarana koa toraka izay. Ireo fitaovana ampiasiana any an-tsekoly indray dia tsizarizary ny ankamaroany, ny toeram-pampianarana maloto sy potika ny ankamaroany satria tsy nisy fikarakarana intsony. Santionany amin’izay iainantsika ihany ireo. Tsy mahagaga, araka izany, raha mitotongana ny lentan’ny tanora Malagasy. Vokany, sarotra ho azy ny hamita ny fianarany hatramin’ny farany, ny hahita asa, ny tsenan’ny asa rahateo efa tena sarotra amin’izao fotoana izao.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.