Actualités

Fanabeazana Ho ratsy ny voka-panadinana Cepe Sy Bepc Amin`ity


  • Sabotsy 18 Jona 2016

Ny fanadinana andrana (examen blanc) nataon`ny sekoly maro tao ho ao dia tsy nahitana afa-tsy manodidina ny 35 isan-jaton’ny mpianatra mahazo salan`isa amin`ireo hiatrika CEPE sy BEPC.


  Kivy ireo mpampianatra  marobe satria na natao aza ny ezaka dia tena mitontongana tanteraka ny fari-pahaizan`ny mpianatra. Matetika dia ny mpianatra hatrany no omena tsiny ho tsy mianatra na tsy miraharaha fianarana rehefa misy ny tsy fahombiazana. Eto anefa ny mpanabe maro izay nanontaniana dia  manamarika fa ny fitontongan`ny fari-piainan`ny vahoaka tao anatin`ny 5 taona teo ho eo no  antony maharatsy ny voka-panadinana. Mpianatra tsy misakafo, tsy manana fitaovana, tsy mifantoka amin`ny fianarana fa tapa-dava vokatry ny fahasahiranana eo anivon`ny ankohonan-dray aman-dreny no hita any an-tsekoly. Etsy an-daniny, ny  tsy fahaizana sy ny haitraitran`ny ao amin`ny minisiteran`ny fampianarana izay manovaova ny fandaharam-pianarana  sy ny endri-panadinana eny antenantenan-taona. Ny mpampianatra aza tsy voaofana tsara sy tsy mahalala tanteraka ny endri-panovana, mainka fa ny ankizy ampianariny ? Ny sekoly tsy miankina moa dia mazàna atao ankilabao tao ho ao  ka na dia ny programa arahina aza dia efa mitady etsy sy eroa izy vao mahazo izany. Raha fehezina, ny mpitondra mihitsy no tsy mahafehy ny fampianarana sy ny fanabeazana ankehitriny ka tena mahatonga ny fihemoran`ny lafiny fampianarana. Tsara ohatra ny mizara solosaina isaky ny lisea nefa alohan`izany tsy aleo ve mizara aronakanjo sy fitaovam-pianarana any amin`ny vahoaka madinika satria ny vidin`ny solosaina iray  hahafahana mampitao sy mampitafy mpianatra efa ho 300 isa ohatra. Sa efa nataon`ny mpitondra teo aloha izany ka na hita fa tsara sy nahomby aza dia tsy tohizana  satria te hiavaka sy te hisongadina ? Nefa dia tsy mahomby hatreto ny ataon`ny mpitondra eo amin`ny lafiny fanabeazana ka dia efa hita ary mbola hoporofoin`ny voka-panadinana ato ho ato fa tsy ny mpianatra ihany no tsy mahay fa ny mpitondra mihitsy no tsy mahay manatsara ny lafiny fanabeazana fa variana amin`ny fidedahana sy ny resaka politika etsy sy eroa fotsiny.

Nangonin-dRabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT