Actualités

Fampodiana ny vata mangatsiakan’i Sabrinah 12.600.000 Ar no ilaina miala any Koweit


  • Alatsinainy 13 Jona 2022

Mitady fanampiana amin’ny fampodiana an-tanindrazana ny vatana mangatsiakan’Itompokovavy Fanja Sabrina, izay avy any avaratry ny Nosy,

nila ravinahitra tany Koweit ka namoy ny ainy ny fikambanan'ny malagasy miray hina ao koweit na ny FMMK tarihin’ny filohany Rabevason Hantahariniaina Prisca. Vola mitentina 12.600.000 Ar eo ho eo no ilaina amin’izany izay tsy arak’ireo fianakaviany mihitsy koa hanaovany antso avo amintsika mpiray tanindrazana. Raha tsiahivika kely ny tantara dia narary Ratompokovavy. Voatery naiditra hopitaly izy noho izany saingy andro vitsy monja taorian’izay dia nafoiny ny ainy. Ho an’ireo vehivavy Malagasy miasa any Koweit moa dia tsiahivina hatrany fa fijaliana no hiainan’izy ireo any an-toerana raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo tafaverina velona teto an-tanindrazana. Na ny tsy fifankazahoan’ny resaka hifanaovana amin’ny mpampiasa fotsiny aza mantsy dia mety hamonoan’iretsy voalohany ilay mpiasa. Toraka izany ihany koa ny tsy fanekena ny filan-dratsin’ireo mpampiasa lehilahy izay tena mankafy vehivavy Malagasy ny ankamaroany…arahin’ny tsy fandraisana karama sy ny tsy fatoriana raha tsy tapitra matory avokoa ny mpampiasa ao an-trano isan-kalina.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT