Nifarana ny sabotsy teo tetsy Analakely ny fanangonana ireo tolo-tanana avy
amin’ny mpitia kitra Malagasy ho fampodiana ny nofo mangatsiakan’ny mpiandry tsatoby an’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra fahiny, Ferdinand Rafalimanana na Goly be. Ny 29 desambra moa no namoy ny ainy teo amin’ny faha 67 taonany tany Frantsa vokatry ny aretina nahazo azy ity andrarezina ity ary nanafatra fony fahavelony ny mba hitondrana ny vata-mangatsiakany any Mandritsara, faritr’ Sofia, rehefa modimandry. Nangataka tolo-tanana tamin’ny fitondram-panjakana sy ireo malala-tanana rehetra noho izany ny vadiny sy ny zanany vavy izay namelany hafatra sy mbola miandry ny razana any amin’ny fonenany any Bordeaux ka nahatonga ny fikambanan’ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena teo aloha nikarakara iny hetsika tolo-tanana iny. Misy amin’ireo mpankafy baolina kitra Malagasy no velom-panontaniana hoe tsy isan’ireo andrarezina tokony nisitraka ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ve izany Goly be izany ? Fara fahakeliny, tsy tokony mba ho ny fitondram-panjakana manontolo ve no hiantoka ny fampodiana ny razana? Ny zava-misy hatreto anefa dia hita ho mangingina ny fitondram-panjakana.
J. Mirija
Legende: Na ny zandrikely nilalao baolina tamin’ny 10 taona lasa aza faly ery rehefa nantsoina hoe Goly be.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.