Actualités

Fampodiana ireo volamena “Tsy mbola misy valiteny matotra hatreto »


  • Zoma 15 Janoary 2021

“Matoa mbola tsy mivaly ilay izy dia tsy misy ny azo tenenina. Misy ny

 

 

 

fifandraisana amin’ireo tompon’andraikitra ataon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny, ka dia miandry an’izay aloha isika”, hoy ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo mikasika ny fangatahana ny fampodiana ny volamena 73,5kg sy ireo 3 lahy voarohirohy. Mbola tsy misy ny fifandraisana ofisialy amin’ny resaka raharaham-pitsarana ka noho izany dia ny fanamboarana sy ny fampiharana fifandraisana iraisam-pirenena no ataontsika mba hanana ny maha izy azy ny Firenena Afrikanina Tatsimo, ary isika ihany koa tsy ambakan’izany, hoy izy. Nilaza kosa ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana Atoa Imbiky Herilaza fa efa mihazakazaka ny raharaha, ny PAC no mandray an-tànana ny asa rehetra mifandraika amin’izany, ary miara-miasa amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany, ny fadin-tseranana, ny zandarimaria satria mbola betsaka ny zavatra mbola hojerena, mbola betsaka ny olona horaisina am-bava mety tafiditra mivantana na an-kolaka. Mikasika ny fampodiana, dia efa nisy ny fangatahana ofisialy avy any amin’ny PAC nalefa tamin’ny Minisiteran’ny fitsarana, nampitaina tamin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny, ary io indray no nampita any amin’ny manam-pahefana ara-diplaomatika any Afrika Atsimo. 8 no naiditra am-ponja voalohany, ary niampy 2 izay naiditra eny Tsiafahy ny alin’ny alarobia teo. Malagasy avokoa ny ankamaroany fa misy manana zom-pirenena Frantsay iray na roa, ary tsy misy fandraisana an-tànana manokana fa mitovy daholo, hoy ny Lehiben’ny fandraharahana ny Fonja Atoa Ranaivo Andriamaroahiana.

 

Namoaka fanambarana omaly ny ministeran’ny raharaham-bahiny Malagasy ka nilaza fa tsy misy ifandraisany, etsy andaniny, ny fanenjehana ireo voampanga ho nandika lalàna Afrikanina Tatsimo, nataon’ny Fitsarana any an-toerana ny 12 Janoary izay hitohy ny 1 Febroary 2021, ary etsy ankilany, ny fangatahana ny hamerenana eto Madagasikara ireo volamena naondrana an-tsokosoko sy ireo voampanga, nataon'ny Fanjakana Malagasy.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT