Araka ny efa nitaterana azy teto omaly dia tafody an-tanindrazana ny alarobia alina teo ny andiany voalohany amin’ireo Malagasy niasa tany Liban izay voalaza fa nangataka hody rehefa niharan’ny fampijaliana isan-karazany nataon’ny mpampiasa azy ireo.
Tsy fantatra marina moa ny tena isan’izy ireo satria samy manana ny ambarany ireo ministera tompon’andraikitra mivantana, ny mpiasa sosialy ary ny kaonsiolà any Liban. Misy ny milaza fa 74 ny isan’ireo tafaverina an-tanindrazana ireo, ao koa anefa ireo manome isa 80 mahery. Fa anisan’ny nanamarika ny fahatongavan’izy ireo ny alarobia alina teo ny fahitana ny ankamaroany izay mihaingo aoka izany ka nahatonga ny mpitsena sasantsasany vaky vava fa toa tsy olona niharitra ny ngidin’ny fiainana izy ireo. Voatery tsy maintsy nitondra fanazavana, araka izany, ny solontenan’ireo andriambavilanitra ireo ka nilaza fa rariny raha manao metimety izy ireo hanehoany ny hafaliany tody soa aman-tsara eto an-tanindrazana.
Na izany aza anefa dia nanamarika ny mpiasa sosialy iray izay nanaraka akaiky hatrany am-boalohany ity raharaha Liban ity fa am-polony amin’ireo andriambavilanitra ireo ihany no tena niaina ny fampijaliana tany Liban ka nangataka hody fa saika olon-kafa avokoa ny ankamaroany. “Tsy araka ny noeritreretina mihitsy izao zava-misy izao”, hoy ity mpiasa sosialy ity izay nisafidy ny tsy hitonona anarana. Manahy ny fisian’ny kolikoly na afera tao anatin’ity raharaha ity ny tenany. Miandrandra fanokafana fanadihadiana momba io ahiahiny io izy noho izany mialoha ny fikarakarana ny andiany faharoa amin’ity fampodiana faobe ataon’ny fanjakana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.