Manana sampandraharaha 41 ny hopitaly HJRA izay tobim-pahasalamana azo lazaina ho tsara indrindra manerana ny Nosy.
Na izany aza dia manana olana ara-pitaovana ireo sampandraharaha rehetra ireo ankoatra ny tsy fahampian’ny mpiasa. Raha tokony ho adiny 8 no fe-potoana iasan’ny mpitsabo mpanampy dia miala sasatra any an-trano izy, lasa mamita 27 ora izy ireo vokatry ny havitsian’ny mpiasa. Eo amin’ny lafiny ara-pitaovana indray dia 3 monja ny “respirateurs” ananan’ny “réanimation médicale” izay 2 ihany no mandeha ara-dalàna kanefa 15 no ilaina. Manginy fotsiny ny fanatsarana mila atao amin’ny efitrano sy ny lalantsara ary ny rindrina. Miankina amin’ny tetibolam-panjakana ny fandraisana mpiasa vaovao kanefa koa tsy manana ny enti-manana hanatsarana ny fitaovana sy hanatontosana ireo asa fanatsarana ny tontolon’ny asa ny HJRA. Mitodika amin’ny tsara sitrapo sy ny orinasa tsy miankina izy ireo noho izany.
Nivoitra io tetikasa io nandritra ny fivoriana tao amin’ny hotely Carlton ny faran’ny volana martsa lasa teo. Samy nanao lisitra ny filàny ara-pitaovana sy ara-potodrafitrasa avy ny sampandraharaha rehetra ary ireny no atolotra ny orinasa vonona hiara-hiasa. Ny orinasa Colas izao no efa noresahan’ny sampandraharaha “réanimation médicale” ka andrasana ny valiny. Araka ny fanazavan’ny profesora Yol, tale miandraikitra ny fotodrafitrasa ao amin’ny hopitaly HJRA dia misy ny tambiny ho an’ireo orinasa mpiara-miasa toy ny fametahana isaky ny varavarana takelaka mampahafantatra ilay orinasa ankoatra ny fandraisana an-tanana ireo mpiasany. Miantso ireo rehetra vonona hifanome tanana amin’izany fiaraha-miombonantoka izany ny tomponandraikitry ny HJRA amin’ny fivoriana tontosaina ao an-toerana ny 24 aprily izao.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.